Taratra

Ny tody tsy misy

  Mazava aloha ny fizotry ny raharaha manga eto amin’ny Tanàna. Mitohy ny asa sy ny fitokanan-javatra etsy sy eroa. Toy ny nahazatra fony andron’ny loranjy ihany ny andavanandron-dRamalagasy. Miady, mitady izay hohanina. Mirotoroto hatrany mitady vola. Tsy mahagaga moa satria, hatreto, ny olona no niova fa isika mbola an-dalana […]

Fehin-kevitra famahana olana : Mitaky tondrozotra sy Tetezamita ny UA sy ny Sadc

Hentitra ny fehin-kevitry ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina (UA), natao tany Addis-Abeba, momba an’i Madagasikara. Nanamafy izany koa ny eo anivon’ny Sadc manoloana ny fanaraha-maso ny toe-draharaha eto amintsika. «Ilaina ny fanatanterahana fifidianana. Hany lalan-tokana ahafahana manala an’i Madagasikara ao anatin’izao sazy izao », hoy ny tatitry ny fehin-kevitry ny UA […]

Nidona tamin’ny sarety: Vehivavy nitondra moto voatrobaky ny vy

Tsy nisy famatarana, ni­tondra vy amin’ny andro alina ny sarety iray ka niteraka lo­zam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK8 +500, fokontany Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsi­mon­drano, ny alatsinainy 16 febroary teo. “Mitondra vy lava sady marani-joro ilay sarety. Tsy nisy marika na loko marevaka mazava alina sy hita maso tamin’ny sarety”, […]

Soanierana: Lehilahy miisa efatra naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any Antanimora avokoa, ireo efa-dahy tratra nangalatra tao amin’ny toeram-piasany tetsy Soanierana. Naharay fitarainana tamin’ny tompon’ny orinasa ny polisim-pirenena momba ny tranga fangalarana fitaovan’ny orinasa. Efa nisy ireo olona ahina ho nanatontosa ity halatra ity. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana taorian’izay. Mpiasa miisa efatra […]

Nokarohina nandritra ny telo andro  : Tovolahy 19 taona, maty natelin’ny rano teo am-pilomanosana

Hita faty tao anaty rano, tany Antanifotsy, omaly maraina, ny tovolahy 19 taona. Nilomano niaraka tamin’ny namany izy io ny sabotsy tolakandro ary tsy hita. Natao ny fikarohana azy ka izao hita faty izao. Tovolahy iray 19 taona, hita faty natsingevan’ny reniranon’i Onive tany Andranomalaza, disitrikan’ Anta­ni­fotsy, faritra Vakinanka­ratra, omaly […]