Taratra

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : « Tsy azo ekena ny kolikoly sy ny gaboraraka »

Nitarika ny fananganan-tsaina voalohany teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny ho an’ireo mpiara-miasa. Hentitra sy nahitsy. Ani­san’ny nasongadiny ta­min’ny lahateniny ny toetra tokony hananan’ny tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. Anisan’izany ny soatoavina fototra miisa telo. Eo ny fanajana sy ny fihavanana […]

TSELATRA

Olona fito tra-tehaky ny polisim-pirenena teny Ivato, saika hiondrana any ivelany, ny alakamisy 30 oktobra lasa teo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny dian’ireo olona ireo ka voatery nohazonina natao famotorana, hoy ny loharanom-baovao. Lehilahy iray mpitondra moto namoy ny ainy teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo Sambaina, omaly. Voahitsaky ny kamiao […]

Mpisakaiza namono tena: Nivoa-dra ny oron’ilay lehilahy hita faty

Nivoa-dra tanteraka ny ta­van’ilay lehilahy hita faty tao ambanin’ny tetezan’Ankadin­dra­tombo, fokontany Mandro­se­za, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 22 minitra. “Nitsambikina teo ambonin’ny tetezana io lehilahy io sy ny sakaizany izay voa­laza fa bevohoka, ny alin’ny alahady 2 novambra teo, tamin’ny 8 ora”, hoy ny fanazavan’i Rijaharisoa, mponina […]

Halatra omby: Dahalo roa maty

Dahalo roa maty, olona valo naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo mpangalatra omby tao Antabika, fokontany Antranokaky, kaominina ambanivohitra Vineta Andama­siny, distrikan’i Sakaraha, ny alin’ny alahady 2 novambra lasa teo. Nidiran’ny dahalo telopolo mahery ity tanàna ity. Araka ny vaovao azo, omby 107 nalain’ireo jiolahy, tafaverin’ny fo­konolona. Nanao fanarahan-dia ny […]

Ranomasin’i Katsepy: olona 10 hita faty

Vehivavy enina sy lehilahy efatra, hita faty tany Katsepy, omaly. Hita teo amoron-dranomasina ny sivy ary natsin­gevan’ny ranomasina ny iray. Nahitana pasipaoro manambara fa teratany somalianina ny roa tamin’izy ireo. Tafakatra 10 ireo razana hita tany amin’ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, omaly. Vehivavy ny enina […]