“Manoloana ny mety ho firotsahan’ny orana amin’ity herinandro ity, entanina ny mponina amin’ireo toerana ho voakasik’izany hanangona rano hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy. Tsy ho marin-toerana kosa indraindray […]
Taratra
Fitakian’ny mpampianatra : Mampanahy ny fiantraikany amin’ny fahaizan’ny mpianatra
Miato mandritra ity herinandro ity ny fampianarana, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manahy ny ray aman-dreny fa hitohy lavareny ny fitakian’ny mpanabe ka hisy fiantraikany amin’ny fari-pahaizan’ny zanany. Ao anatin’ny fialantsasatra voalohany, taorian’ny roa volana voalohany, amin’ny taom-pianarana 2025-2026, ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra nanomboka omaly. Haharitra hatramin’ny 31 oktobra […]
TARATRY ny KANTO
“Masoandro amam-bolana”. Teatra poetika, izay hotontosain’ny tarika Randrana, ny alahady 9 novambra izao, ao amin’ny FJKM Cenhosoa Soavinandriana, izy ity. Ny Tsiaro no nanoratra ny piesy, izay narindran’ireo poeta Avelo Nidor sy Herinirina. Handravaka izany amin’ny hira kosa i Mandresy Ranaivoson. Nofoanana ny « Reko Europe 2025 ». Tamin’ny alahelo no nanambaran’ny […]
Na hiverina ifotony na tsia : Ilaina hatrany ny mahay tantara
Iray amin’ireo tetika nambaboan’ny vahiny an’i Madagasikara ny fianaran-dry zareo ny tantara nisy teto Madagasikara. Nanatanteraka io iraka io ireo mpitondra fivavahana sasany, ireo mpahay tantara vitsivitsy, ny mpahay taozavatra, sns. Ireny no anisan’ny nampita izany tany amin’ny firenena naniraka azy… Ny Malagasy na ireo firenena nozanahiny kosa, nezahan-dry zareo […]
“Slam national” andiany faha-16 : Efa misy fantatra ireo solontenam-paritra
Hiady ho tompondakan’i Madagasikara ireo solontenam-paritra amin’ny “Slam national”. Fifaninanana lehibe indrindra amin’ity taranja ity izany, ary dingana maro no natrehin’ireo mpifaninana. Indiamahery (Analamanga), Papry Jr (Alaotra Mangoro), Koura (Vakinankaratra), Ash (Sava), Mafia (Boeny), Luciana (Diana) ary i Lems (Atsinanana). Ireo aloha no efa azo antoka fa hifaninana mandritra ny […]




