Anatin’ny asa fanarenana na fanorenana vaovao ny rava rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa samy am-perinasa avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny mba ho an’ny mpiray tanindrazana. Hatrany am-piangonana izao, efa manamafy fa tsy ampy ny fitondrana am-bavaka fotsiny. Mila asa mivaingana ireo traboina sy namoy […]
Taratra
Fandresen-dahatra ny iraisam-pirenena : Any Addis Abeba ny minisitra Razanamahasoa
Miezaka manamafy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafiditra amin’ny politikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany. Mitarika delegasionina miatrika ny fivoriana any Addis-Abeba, anio sy rahampitso, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Tafiditra amin’ ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina (UA), andiany faha-39, […]
TSELATRA
40 ny isan’ny maty; enina ireo tsy mbola hita popoka, ary 427 ny olona naratra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. 243 417 ny traboina (tokantrano 74 393) ; olona 6 318 nafindra toerana ka 11 468 napetraka any amin’ny toerana manokana miisa 48. Mahatratra 14 630 ny trano […]
Ankadinondry Sakay: Voasambotra ilay lehilahy nidaroka vady aman-janaka
Zatra mampihatra herisetra amin’ny vadiny sy ny zanany vavikely, notanan’ny zandarimaria ao Ankadinondry Sakay ny raim-pianakaviana iray, omaly maraina. Nodarodarohan-drangahy ny ramatoa vadiny ary lasibatra ihany koa ny zanany vavikely, tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, afakomaly alina. Mivelona amin’ny asa fanamboarana finday ao an-toerana ilay raim-pianakaviana. Mampijaly ny vady aman-janany amin’ny […]
Vono olona tetsy Ankadikely : Roa vavy niakatra fampanoavana
Nohainoina teo anivon’ny fampanoavana tao Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly, ireo olona roa voarohirohy tamin’ny vono olona tetsy Ankadikely Ilafy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana iray voatsatok’antsy ireo olona ireo ka anisan’izany ilay sakazain’ilay namoy ny ainy. Tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoan’ireo tsy mataho-tody an’io raim-pianakaviana io. Noleran’izy ireo […]





