Taratra

FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ireo depiote ny Antenimieran’ny ta­nora ho an’ny fanovana sy ny fahaleovantena (Antaf), omaly, teny Tsimbazaza. Niompanan’ny resaka ny momba ny fanendrena ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Teo koa ny niresahan’ireo tanora ny amin’ ny fanovana tian-dry zareo hatao eto amin’ny firenena. Vonona ho amin’ny fifampiresahana sy fifanakaloza-kevitra ny TGV sy ireo […]

Mpanolotsaina Ravololomanana Lalatiana: « Aoka hanara-dalàna ny fanapahan-kevitra… »

Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena, in­drindra ny eto Antananarivo Renivohitra, ireo mpanolo­tsaina maromaro, mitovy he­vitra amin-dRavololomanana Lalatiana. Nambarany fa mila jerena akaiky ireo olana misy eny anivon’ny fokontany. Ani­san’izany ny amin’ny fikasana hakana fahefana amin’ny fomba tsy ara-dalàna amin’ny fanesorana ireo sefo fokon­tany, eny anivon’ny boriborintany. « Tsy atao anaty […]

Ny teo ihany no miverina

  Voafitaka sa mpiray tsikombakomba ireo voalaza fa mpitolona tia tanindrazana? Raha ny zava-misy ankehi­triny manko, mitaky valiny izay fanontaniana izay. Mila fanazavana amin’olon-tsy fantatra izay toa fialokalofana sy mpisintona ny singa tokony hahetsika amin’ny toe-javamisy ankehitriny. Tsy tongatonga ho azy akory fa misy atidoha goavam-be samihafa, namolavola sy nanaka­rama […]

Mpiasam-panjakana ambony: Voarara tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara

Tsy misy mahazo mivoaka an’i Madagasikara ao anatin’ny telo volana ireo mpiasam-panjakana ambony. Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tombana ary fiarovana ny fananam-bahoaka ny tomponandraikitra. “Tsy misy intsony ny gaboraraka fa tsy maintsy fitantanana madio sy mangarahara ary manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka. Satria indramina amin’ny vahoaka na ny […]

Chan 2024 – « prize money »: Singa telo no nampihena izany

Nivoaka tamin’ny fahanginany Rabemanantsoa Benja­min, filohan’ny delegasionina Barea, nandritra ny “Chan 2024”, sady komity mpanatanteraka (CE) anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nohazavainy, omaly, tetsy Isoraka, fa singa telo no nanesoran’ny Kaon­federasiona afrikanina an’ilay vola “prize money” mitentina 1,2 tapitrisa dolara. Raha ny nambarany, nalain’ny Caf tamin’io vola io, tany […]