Nisy fivoriana niarahana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tao amin’ny CEG sy Lycée Morarano, Ihosy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nampahafantarin’ny mpiasan’ny fahasalamana avy ao amin’ny DRS Ihorombe sy SDSP Ihosy ny maha zava-dehibe ny fisorohana azo atao amin’ny areti-mifindra. Tafiditra amin’izany ny fanaovana vaksiny iarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ho […]
Taratra
Lycée Moderne Ampefiloha : Mianatra tapak’andro ny mpianatra
Na teo aza ny fanambaran’ny mpampianatra ao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha fa miato ny fampianarana noho ny fitakiana samihafa, nisy ireo tonga nanohy ny asany omaly ka nizotra tsara ny tapak’andro maraina. Nitohy ny fandaharam-potoana ho an’ireo tany an-dakilasy sy niatrika ny taranja fanatanjahantena ary nohidina toy ny mahazatra ny […]
Mpampiasa lalana : Tsy manaja ny lalàn’ ny fifamoivoizana
Vao niandoha ny hetsika fitakiana teto an-dRenivohitra izay mbola mitohy hatramin’izao, hita taratra koa ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny olom-pirenena amin’ny fiainana andavanandro. Ireo mpampiasa lalana no tena tsikaritra manao izany. Mandeha “contre sens” amin’ny arabe ireo kodiaran-droa tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ka ahina hiteraka loza amin’ireo samy mpampiasa lalana. […]
Radiothérapie: Manampy ny chimiothérapie sy ny fandidiana homamiadana
Mitondra fanazavana mahakasika ny sampandraharahan’ny radiothérapie, ao amin’ny CHU HJRA ny Dr Razanadahy Tahina, oncologue, radiothérapeute. Fitsaboana ny aretina homamiadana amin’ny alalan’ny taratra ny radiothérapie, araka ny fanazavana nentin’ny Dr Razanadahy Tahina. Tsy ny vatana iray manontolo no tarafina fa ny faritra misy ny homamiadana ihany. Ny 70% ny taham-pahavoazana […]
Mgr Andriantsoavina Jean Pascal: « Mijoroa ary sahia miteny ry tanora »
Maromaro ireo mpitondra fivavahana naneho hevitra. Anisan’izany koa ny Evekan’ Antsirabe, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Tsotra sady fohy ny hafany. «Mijoroa ary sahia miteny ny tsy mety, indrindra ianareo tanora. Mandraisa andraikitra amin’ny zavatra tsara», hoy izy. Nambarany fa tsy tokony hanambany ny hafa izany na inona fahaizana, anton’asa, […]




