Nanambara ny eo anivon’ny Holafitry ny farmasianina fa tsy afaka ny hitazam-potsiny izy ireo manoloana ny maratra rehetra noho ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, amin’ izao fotoana izao. « Mivondrona tanteraka izahay izao ary manangona ny kely voatsirambin’ny tànana entina hanampiana amin’ny fitsaboana ny marary sy ny maratra rehetra », hoy izy […]
Taratra
Fampidirana am-ponja…: Nandiso ireo vaovao niely ny fitsarana
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, manoloana ireo vaovao maro samihafa, iniana aparitaka. Nandiso tanteraka izany izy ireo. « Tsy marina velively ny filazana fa notazonina vonjimaika kanefa tsy noraisin’ny mpandraharahan’ny fonja ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana teny an-dalambe », hoy ny fanambarana, nivoaka omaly. Nanterin’izy ireo koa fa misy amin’ireo mpianatra […]
Analamanga : Nofoanana ny « Couvre-feu »
Namoaka didim-pitondrana, omaly, ny prefektiora’ny polisin’ Antananarivo fa foana ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ ny alina, “Couvre feu”, ho an’ny faritra Analamanga. Fanapahan-kevitra noraisina tao aorian’ny nahitana fa efa miverina tsikelikely ny fandriampahalemana eto amin’ny faritra Analamanga, raha ny voalazan’ny didim-pitondrana. Efa nivaha ary nofoanana tahaka izany koa ny « Couvre-feu » […]
Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo : « Miantso ny mpiray tanindrazana ho tony »
« Manainga antsika Foloalindahy rehetra mba tsy ho voazarazara manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra koa mba ho tony », hoy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Tontosa, omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny MFA teo aloha, ny […]
Filoha Rajoelina Andry : “Hiala aho raha mbola misy delestazy afaka herintaona”
Nafana ny fifanakalozan-kevitra natao teny Iavoloha, omaly. Maro ireo olona nandray fitenenana ary tsy nihafahafa izy ireo naneho hevitra. Afaka taona iray, hiala tsy ho filoha izy raha mbola misy ny delestazy. Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanakalozan-kevitra nasionaly, izay nokarakarain’ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nisongadina nandritra […]




