Misoko mangina, tsy re tsaika. Tsy an-kiandriandry fa efa ao anatin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny FFKM. Nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity ny fakan-kevitra nataon’izy ireo amin’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana fa maromaro ireo efa noraisin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy […]
Taratra
Fametrahana fitoniana: Niantso famotsoran-keloka ny filohan’ny Ceni
Nivahiny tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany tamin’izany fa mbola manamafy ny antso efa nataony tany aloha ny tenany, ny amin’ny hanomezana famotsoran-keloka ho an’ireo olom-boafidy sy olon-tsotra voarohirohy tsy fidiny amin’ny raharaham-pitsarana. Anisan’izany […]
Fitantanam-panjakana: Krizy politika na sosialy no ananganana governemanta iraisana
Eo amin’ny fitantanam-panjakana, tsy tongatonga ho azy ny hoe governemanta iraisana na fiahara-mitantana. Anisan’ny anton’izany, ohatra, ny tsy fananana maro an’isa eny anivon’ny parlemanta. Eo koa ny fisian’ny ady na krizy politika na toekarena na sosialy. Izay tsara ho fantatra… Mifanohitra amin’ny governemanta mitovy fisainana avy amin’ny fironana iray ny […]
TARATRY ny KANTO
« Hiara-hihira ». Tafahaona any France i Manoa, Ralisimanitra, Niry ary Rolly. Mpinamana efa ela tao anaty mozika izy ireo, fantatra tany anatin’ny fampandihizana sy ny fanafanana lanonana isan-karazany. Hiaraka an-tsehatra indray ny 8 novambra izao, satria mandalo any France koa i Rolly amin’izao fotoana. Mandrafitra ny tarika Gasy Band izy, ary […]
« Our Generation » any Russie: Rahampitso zoma ny fifidianana ho an’ny rehetra
Raharaham-pirenena koa itony… Hiatrika ny famaranana lehibe ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena « Our Generation » hatao any Russie, ny solontena malagasy. Efa vonona tanteraka i Michella, Brenda ary i Riantsoa hiatrika ny seho famaranana, izay hatao ny sabotsy 11 oktobra izao. Mialoha izay anefa, mila ny fanohanan’ireo Malagasy rehetra maneran-tany izy ireo. Hisy […]




