« Lasa i Meltine. Misaona ny tarika Rossy…Mandria am-piadana Ra-Mely a ». Fanambaran’i Rossy tao amin’ny pejiny Facebook, halina io. Raho-mainty ho an’ny tarika sy ho an’ny fianakaviamben’ny zavakanto eto Madagasikara mihitsy ny fahalasanan’i Meltine. Iray tamin’ireo zana-dRamilison Besigara Fenoarivo izy, ary nilomano tao anatin’ny zavakanto malagasy nandritra ny fiainany iray manontolo. […]
Taratra
Fiainam-piarahamonina : Samy very fanahy ny rehetra
Nanana fahalalana lehibe momba ny fiainany ny Malagasy. Nifaka tamin’ny lamina voajanahary izy ireny ka zary fiainana andavanandro. Ny vatana nomen’ny ray aman-dreny anarana fa ny fanahy kosa niaraha-nanana. «Very fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango », hoy ny Malagasy raha nilaza sy naneho fa misy sakana tsy ahafahana manoatra […]
Vaovao tambatra
Vita, omaly, ny fampiakarana anaty fiarabe ireo milin’ny Jirama, 105 MW, tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsiahivina fa nanomboka ny talata teo, ny fandaharam-potoana, hitaterana ireo ampahany voalohany, miainga any Toamasina, miakatra aty Antananarivo. Mandritra ny telo andro ny faharetan’ny dia, manomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva ary […]
Fadintseranana : Nohadihadiana ny seranan-tsambo miisa 9
Paikady lehibe apetraky ny Fitantanana foibe ny Fadintseranana malagasy, ny fanavaozana ny fomba fiasa rehetra. Misy ny fiarahana miombon’antoka amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny Biraon’ny Firenena mikambana ho an’ny asa manohana ny tetikasa (Unops) ary ny governemanta malagasy. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, toy […]
Mamita-tena
Nahafinaritra sy nahavelombolo ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy mila mpisolelaka sy mpanasoaso be fahatany ny tenany. Mazava ny filazany fa mahay maka lesona sy manitsy ny diany izy. Nampangainy rahateo fa noho ireny mpanolo-bato mafana, ankolaka, ireny no nahatonga ny olan’ny firenena ankehitriny. Mitady olona sahy sy afaka […]




