“Raha mbola misy ny famonoana an’ireo zanakay, mbola tsy hiroso amin’ny fifampiresahana aloha ny Seces”, hoy ny avy amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces), Andriamasinoro, teny Ankatso, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay iantsoana fifampidinihana. Nefa vonona amin’izany ny Seces, rehefa tonga amin’ny fitoniana sy tsy fikasihana an’ireo zanany. […]
Taratra
Raharaham-pirenena : Manohana ny vahoaka ny Nonce apostolique
Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena koa ny eo anivon’ny Nonce apostolique, solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Tomasz Grysa. Nambarany tamin’ny sorona Masina fitokanana Sanctuaire Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, tany Belo ambonin’i Tsiribihana fa anisan’ny miara-mizaka ireo mafy rehetra mihatra sy mahazo ny vahoaka eto amin’ny firenena koa ny eveka. « Anisan’ny […]
Praminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat : “Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro ny governemanta hijoro”
Andrasana fatratra amin’izao ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Hanao ahoana? Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, izany. “Ny governemanta hijoro eo dia governemanta misokatra amin’ny ankolafin-kery maro sy ny sehatra iombonana amin’ny fanarenana ary ho antoka amin’ny fanajana ny rafitra demokratika sy ny zon’ny […]
INDRAY MIJERY
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fiofanana “Fijery Hafa” ao amin’ny distrikan’i Fianarantsoa. Maro ireo mpiofana mandray anjara amin’ity andiany ity, mifantoka amin’ny lohahevitra fahaiza-mitarika, fananganana orinasa, fampivoarana ny tena ary ny informatika. Nisongadina nandritra ny fiofanana momba ny fananganana orinasa ny fandraisana anjaran’i Nelson, olona manana fahasembanana ara-pahitana (jamba), izay […]
Fikambanan’ny vehivavy mpitarika: Tokony hisy sehatra ifampihainoana
Mahatsiaro manana adidy ny vondron’ny vehivavy mpitarika manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Fandriampahalemana sy fifampiresahana no mila atao hisian’ny vahaolana mahomby, raha ny hevitr’izy ireo. Manamafy ny fandraisany andraikitra momba ny fitandrovana ny zon’olombelona, indrindra ny maha masina ny aina sy ny fahalalahana haneho hevitra ary ny fandraisan’ anjara […]




