Taratra

Madagasikara: Ny fototra mihitsy no mikorontana

Samy manana ny tantarany ny firenena tsirairay. Tsy navelan’ny vahiny hahalala ny azy ny Malagasy. Maro ny fiantraikan’io tranga io eo amin’ny fiarahamonina hatramin’izay ka mandraka ankehitriny. Fandaharam-pianarana, tsy mandeha amin’ny laoniny. Fahafantarana an’i Madagasikara, tsy mitombina araka ny tokony ho izy. Tantaran’ity Nosy ity sy ny mponina ao aminy, […]

TSELATRA

Mpitandro filaminana roa naratra vokatry ny tora-bato tany Toamasina, omaly, nandritra ny hetsiky ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Barikadimy. Mpianatra roa hafa koa naratra vokatry ny fipoahana baomba mandatsa-dranomaso. Mpianatra dimy hafa voasambotra. Nikasa hivoaka ny faritry ny Oniversite ireo mpianatra, afakomaly, nefa tsy nahazo alalana hatrany. Nitrangana halatra omby […]

Analamahitsy: Trano niharan’ny firehetana

Niatrana teny Analama­hitsy ambony, anatin’ny boriborintany fahadimy, ny sampana mpamonjy voina, taorian’ ny firehetana trano tao amin’ ny tanàna iray teny an-toerana, omaly atoandro. Nanom­boka niaka-tsetroka io trano io ary nikoropaka ireo mponina manodidina. “Nahitana firehetana ity trano ity nanomboka tamin’ny 11 ora sy 40 minitra teo ho eo”, hoy […]

Ankazomanga : Moto nifatratra tamin’ny kamiao

Tapa-tongotra ny renim-pianakaviana iray ary naratra mafy ny lehilahy nitondra kodiaran-droa tra-doza teny Ankazomanga-Andraharo, ny alin’ny alatsinainy 6 septambra teo, tamin’ny 10 ora. Kamiao lehibe an’ny orinasa tsy miankina iray nifandona tampoka tamin’ilay moto. Nikasa hihazo ny lalana mampitohy an’Andraharo sy Ambohimanarina ireto farany raha toa ka niditra amin’ny vavahadin’ilay […]

Hetsiky ny Gen Z : Olona telo naratra, mpitsabo iray torana

Nahatratra telo ireo olona naratra nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitolona ao anatin’ny Gen Z sy ireo mpitandro filaminana, omaly, tetsy Anosibe. Mpitsabo iray ihany koa torana, sempotry ny lakrimozenina tamin’izany. Nihazo an’Anosy ary nikasa hihazo an’Am­bohijatovo ireo mpitolona avy amin’ny Gen Z, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Efa niandry […]