Miantso ny vahoaka malagasy ho tony hatrany, manoloana ny zava-mitranga eto anivon’ny firenena, ny EmmoNat, araka ny fanazavan’ny mpitondra teniny, omaly. Maneho ny fijoroany hiaro hatrany ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Firosoana amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny andavanandro manerana ny Nosy no tokony imasoan’ny vahoaka ho azy ireo. […]
Taratra
Anosy Avaratra: Roa lahy nisandoka ho mpitandro filaminana
Voasambotry ny polisy nanao hetsika « Anti-pillage » ny roa lahy nisandoka ho mpitandro filaminana teny Anosy Avaratra, ny alin’ny alakamisy 2 oktobra teo. Niara-niasa manoloana ny fisian’ny olon-dratsy mpanararaotra mandroba amin’ ny alina ny eo anivon’ny CRFip Anjozorobe sy ny Brigade anti-pillage ao Anosy Avaratra. Nifanena tamin’ny lehilahy roa nanao fanamiana […]
Fidinana an-dalambe : Nihamafy ny fifandonana, olona fito voasambotra
Henjakenjana ny fifanjevoana teo amin’ny mpidina an-dalambe sy ny mpitandro filaminana, omaly. Olona fito voasambotra, efatra naratra ka mpanao gazety ny iray. Ity farany izay voatoraky ny mpitokona tamin’ny balam-pilesy. Nitohy hatrany ny fidinana an-dalambe nataon’ny tanora avy amin’ ny Gen Z teto an-drenivohitra, omaly. Hita teny an-toerana koa ny […]
Hetsika Gen Z : Hisy ny “Coin repos” ho an’ny mpanao gazety
Manoloana ny hetsika fidinana an-dalambe ataon’ny mpitolona ho an’ny anio, mikarakara “Coin repos” ho an’ny mpanao gazety midina ifotony sy manaraka ny toe-draharaha ny avy amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara (Association des femmes journalistes de Madagascar ) manomboka androany. Misy ny fizarana sy fanampiana ho an’ireo eny an-kianja, […]
Ambodimita : Lehilahy hita faty teo amoron’arabe
Lehilahy iray namoy ny ainy amoron’arabe, teny Ambodimita, omaly maraina. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fisian’io olona io. Kotsan’ny orana ny akanjon’ilay lehilahy ary mety ho nitarika ny fahafatesany izany. Ahina ho tratra alina ilay raim-pianakaviana ary nandeha an-tongotra nanaraka ny vahilava nandritry ny alina. Niezaka namantatra azy ny mponina […]




