Tsy mbola misy ny vahaolana hitohizan’ny tsena Agoa, tsy andoavana haba amin’ny fanondranana entana any Etazonia. Mitohy kosa ny fifampidinihana eto an-toerana. Tapitra ny 30 septambra teo ny fe-potoana tsy hitataovana hetra sy haba ny entana aondrana any Etazonia, ao anatin’ny tsena Agoa. Nanao fanambarana iombonana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
« Fandaharana Soatoavina ». Handeha rahampitso sabotsy indray izy ity, amin’ny 12 ora tolakandro, ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM. Hiompana amin’ny lohahevitra « jijy avy any amin’ny faritra Betsiboka » indray ny fandaharana. Tsiahivina fa mampahafantatra ireo kolontsaina, riba, fomba amam-panao, isam-paritra eto Madagasikara ity fandaharana ity. Rahampitso 4 oktobra no hamarana ny andiam-pampisehoana hataony […]
Fikambanan’ny mpanakanto: Mangataka ny hanokafana ny Kianja 13 mey
Nifamory maika tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto, Mahamasina, omaly ny mpanakanto. « Andriamatoa Filoham-pirenena, ianao no filoha ambonin’ny Tafika. Mijoro izahay artista, izay tsy misy raha tsy ny vahoaka. Nahita ny zavatra nitranga teny an-kianja izahay nialoha izao. Anisan’ny niadivanao ny fahafahana amin’ny fanehoan-kevitra, mangataka anao manokana izahay, sokafy ho an’ny tanora, […]
Fanabeazana iombonana: Tsy tokony ho zarina sy tezaina amina « fety » ny tanora
Tsikaritra fa manomboka mahazo vahana ny dika vilan’ny « fialamboly ». Tsy tahaka ilay niforonany tany am-piandohana fa nanjary naka endrika « fety ». Fandrebirebena sy famotehana ny hasina maha olona ? Fahiny, raha niala voly vokatry ny asa (nanenona, namboly…) ny Malagasy. Nanao izay ahazoany aina sy fahalalana vaovao sy hafa tamin’ny alalan’ireo lalao […]
Fanabeazana maha olona: Mila fanarenana goavana ny fianarana ny teny malagasy
« Ny fanahy no olona ». Ny olona, anefa, mila beazina. Ny mpanabe, maro. Ny akaiky indrindra amin’ireny, ny teny. Raha ho an’ny teny malagasy manokana, tsy hita taratra loatra ny fandraisan’anjarany amin’ny fanabeazana ho olom-banona ireo taranaka Malagasy. Na, ilay teny, manimba, na vao mainka mampidi-kizo ny Malagasy ny fampiasana azy, […]




