Zandary roa namoy ny ainy, omaly, rehefa tonga teny amin’ny Hopitaly militaire etsy Soavinandriana. Avy niasa teny amin’ny parvis Analakely ireo zandary telo lahy, afakomaly alina, ary narary tampoka. Sempotra ary nitarika tamin’ny tsy fahatsiarovan-tena ny fitrangan’ny aretina. Mbola manaraka fitsaboana kosa ny iray hafa. Tombanana ho fahapoizinana ara-tsakafo ny […]
Taratra
Zaridaina Ambohijatovo : Nirehitra taorian’ny hetsika
Nahitana firehetana tao amin’ny faritry ny zaridaina an’Ambohijatovo, taorian’ny sakoroka niseho teny an-toerana, omaly hariva. Tsy nisy nahatsikaritra ny fiandohan’ny afo ireo manodidina, hatramin’ny mpanao gazety nanara-maso ny zava-nisy teny an-toerana. Ahina ho vokatry ny fidiran’ireo mpanao fihetsiketsehana tao anatin’ny faritry ny zaridaina ny firehetana. Nanao mora rahateo ny fihanaky […]
Fidinana an-dalambe : Tafiditra teo Ambohijatovo ny mpanao fihetsiketsehana
Rehefa voasakana ny mpidina an-dalambe teto an-drenivohitra, tafiditra tao Ambohijatovo kosa ny avy eny Imerintsiatosika. Mbola nirefodrefotra ny grenady mandatsa-dranomaso, omaly. Tsy nanaiky raha tsy tafiditra an’Ambohijatovo ireo mpitolona nanao ny hetsika omaly. Nifarimbona sy nanamafy ny tolona ny avy amin’ny “Generation Z”, ny mponina sy ny tanora maro avy […]
SOMBIM-BAOVAO
Nofoanana ary ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fifaninanana “Madagascar international BJJ Open 2025”, taranja Jiu-jitsu Breziliana, nokasaina hatao ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Noho ny toe-draharaha misy eto Antananarivo sy ho fitsinjovana ireo atleta no anton’izao fanapahan-kevitra izao, araka ny fanazavan’ ny Federasiona miandraikitra […]
Tsipy kanetibe – Grande finale : Ahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra
Noho ny toe-draharaham-pirenena tsy mbola milamina amin’izao fotoana izao, ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny famaranana lehibe amin’ny tsipy kanetibe. Fihaonana, tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taon’ny tranom-piantohana Aro ary hiarahany amin’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM). . Raha tsiahivina, tokony ho natao ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 […]




