Taratra

Volley-Mada 1D : Nanao pao-droa ny GNVB

Nanao pao-droa indray ny ekipan’ny Zandarimariam-pire­nena, taranja volley-ball, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy “1ère division”, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Norombahin’ny GNVB avokoa ny fandresena teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tamin’ity fifaninanana ho an’ny taom-pikatrohana 2025 ity. Manaporofo ny maha kalaza sy […]

Fifanintsanana Mondial 2026 : Hivoaka rahampitso ny lisitry ny Barea

Eo am-piandrasana fatratra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara ny rehetra amin’izao fotoana izao. Fihaonana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Raha tsy misy ny fiovana farany, hivoaka rahampitso izany, araka ny fanambaran’ny mpanazatra, i Corentin Martins. Nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa hivoaka amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Tsy ho marin-toerana ny habaka, amin’ny an­ka­pobeny. Ambony ny herijika hisiana orana tandrifindrahona mety arahin-kotroka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Manan-kery hatramin’ny anio ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano any amin’ny morontsi­raka atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Hanorana tandrifindrahona vitsy mety arahin-kotroka ny afovoantany sy ny ilany […]

« Référentiel de formation » ho an’ny COSP : Nankatoavin’ny minisitera sy ny IECD

Natao sonia omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana ara­kasa Ampefiloha, ny fankatoavina ofisialy ny « Référentiel de formation pour le métier de conseiller en orientation scolaire et professionnelle ». Nia­rahan’ity minisitera ity sy ny Ins­titut européen de coopération et de développement (IECD) amin’ny tetikasa Se­same ny famolavolana azy. […]

Fampianarana: Nojerena ny momba ny zaza

Notanterahina tetsy Antaninarenina ny atrikasa iraisam-pirenena miompana amin’ny fanabeazana sy fiahiana ny zaza. Tanjona ny hampisehoana ny asa vita nandritra ny efa-taona, ny fifanakalozana traikefa, ny fandraisana soso-kevitra ny amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fiaro­vana ny zaza madinika eo amin’ny politikam-panabeazana. Firenena roa no nanaovana ny tetikasa, dia i […]