Taratra

Minisitra Marson Moustapha : Miantso ny fitoniana sy ny firaisankina

Namoaka hafatra manokana ho an’ny tanora malagasy manerana ny Nosy, amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Moustapha Abdulah. Miray fo sy maneho fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havana izy ary maniry fahasitranana haingana ho an’ireo naratra. Nam­pahery ihany koa ny orinasa […]

« IJF Tour – Grand Prix Qingdao » : Nandrombaka medaly volafotsy Rasoanaivo Laura

Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja Judo, sokajy vehivavy, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Laura. Nahazo medaly volafotsy ny tenany, tamin’izany, ary notolorany ho an’ny Malagasy ny medaly azony. Ny zava-drehetra dia azo tanterahina! Nandrom­baka medaly volafotsy, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena, amin’ny taranja Judo, izay natao tany Chine, ny faran’ny herinandro teo, […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso fifampidinihana maika ny eo anivon’ny sendikà Fisema, manoloana ny raharaham-pirenena. Hatao izany hamerenana haingana ny fiainam-bahoaka sy ho fisorohana ny lonilony eo amin’ny fiarahamonina. « Miantso ny olon-kendry sy ny manam-panahy sy hifanatona hamory ireo herivelona, hikarohana vahaolana », hoy izy ireo. Nidera ireo tanora eo anivon’ny Gen Z nitarika ny […]