Taratra

FMI : Dinihina ny hanohizana ny famatsiam-bola

Tonga eto amintsika ny iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Anisan’ny nodinihina ny hanohizana ny famatsiam-bola FEC sy FRD. Mamita iraka eto Mada­ga­sikara ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI), ny 12 janoary hatramin’ ny 16 janoary teo. Nisy avy ha­trany ny dinik’asa natao teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, niarahan’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama sy […]

FANTINA sy FINTINA

Hitondra fanavaozana faran’izay haingana sy fitahiana ary fahasoavana ho an’ny firenena ve raha tapitra hogadraina avokoa ny volomboasary rehetra? Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Confédération syndicale des agents de l’État (Csaem), ny jeneraly Ravalison Israël, manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota amin’izao. Lasa toy ny hoe “Alefa Barea” […]

Fifanarahana politika : Mitaky tondrozotrana Tetezamita ireo antoko

Faranana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV, hatsahatra ny andrimpanjakana rehetra, ary hatsangana ny governemantan’ny fiaraha-mitantana… Ireo no anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny mpanao politika teny Ankoron­drano, tamin’ny 12-15 desambra lasa teo, izay nokarakarain’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFI M). Nataon’ireo antoko politika miisa 100 eo ho eo teny amin’ ny efitrano […]

Fanovana toe-tsaina  

Fanovana? Na fanavaozana… Anisan’ny takina sy andrasana amin’izany ny hoe fanovana toe-tsaina. Ny tena aloha no mihavao alohan’ny hanaovana fanavaozana. Izay mihavao no afa-kanavao, izay miova no afa-kanova… Mila faharesen-dahatra izay, fahasahiana, fahavononana, faharetana… Tsy iandrasana ny hafa na ifanilihana, tsy anaovana ampitso ampitso lava… Amin’ny fomba ahoana? Eo indrindra […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Miroso mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana”

Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana manerana an’i Madagasikara teny Mahazoarivo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, omaly. Nambarany fa mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miroso amin’ ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”. Io no anisan’ny ha­fatry ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonari­velo Herintsalama Andriamasy, tamin’ny fihaonana […]