Taratra

TARATRY ny KANTO

Famokarana faobe, tonga ao Vangaindrano. Tonga soa aman-tsara ao Vangaindrano ary hanaovana ny famadihana faobe ireo taolambalo miisa 1 080, an’ireo antesaka monina tany Maintirano sy Morafenobe, any Melaky. Vokatry ny fiaraha-mientan’ny fikambanana Tesaka mirary le, miray marigny, no nahafahana nitondra ireto taolambalo ireto. An’ireo antaisaka izay valovotaka tany Melaky […]

Fikambanan’ny mpivaro-boky : Manameloka ny nahazo ny Lecture & Loisirs 

Iray tamin’ireo voaroba, ny harivan’ny alakamisy teo, ny fivarotam-boky Lecture & loisirs, etsy amin’ny Tanà Water Front Ambodivona. Naname­loka ny ankasomparana miendrika fandrobana izay natao tamin’ny namany ny fikambanan’ny mpivaro-boky eto Ma­da­gasikara (AEdiM). « Melohi­nay ny fandrombana nahakasika orinasa maro, izay ma­nampy trotraka ny fiainana andavanandro efa mahakivy ny tsirairay. Voatohintohina […]

North & Center-30 taona: Hahemotra ny fankalazana

Mbola noho ny toe-draharaha ihany… Hatao foana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny tarika North & Center, saingy hahemotra ilay seho goavana tokony hotontosaina ny 5 oktobra izao, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. “Marihina fa manan-kery avokoa ny tapakila rehetra ho an’ireo izay efa nahazo”, hoy ny namba­ran’i […]

«Tremplin Madajazzcar 2025 » : Nisongadina tamin’ny maro ny Vahandanitra

Sehatra iakaran’ny talenta vao ihany koa ny « Madajazzcar » hatramin’izay. Nivoaka tamin’ny fifaninanana teto Antananarivo ny tarika Vahandanitra. Nisongadinan’ireo tanora mpitendry kosa ny tany Toamasina. Miato ny hetsika « Ma­da­jazzcar 2025 ». « Ny fandriampahalemana aloha no vaindohan-draharaha », hoy ny nambaran’ny filohan’ny komity mpikarakara, Jackie Ranarison. Na izany aza anefa, tontosa ny faran’ny herinandro […]

Rugby, sokajy vehivavy: Nomena sehatra tany Londres ny Makis ladies

Voalohany teo amin’ny tantaran’ny rugby malagasy tao anatin’izay 125 taona nahatongavany teto Madagasikara izay, no hany nahazo fanasana manokana avy amin’ny World Rugby ka nampahafantarina izao tontolo izao, ny tantaran’ny baolina lavalava, sokajy vehivavy. Fantatra tany Londres nandritra ny «Mondial 2025», ny lazany. Nanoratra tantara vaovao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena […]