Taratra

TSELATRA

Nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny taksiborosy iray, teo anelanelan’i Miari­narivo sy Amboalefoka, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ao Miarinarivo avy hatrany ireo naratra. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny angom-baovao. Kodiarana vaky no nitarika ny loza. Sigara hosoka miisa 57 000 fonosona sarona tao […]

Doro tanety niteraka haintrano : Olona iray maty teo am-pamonjena ny fananany

Nitrangana haintrano in­dray tany Antafiandakana, kaominina ambanivohitra An­keriky, distrikan’Antsohihy, omaly tamin’ny 12 ora atoandro. Olona iray namoy ny ainy, may kilan’ny afo nandritra ny loza. Niezaka namonjy ny fananany may sy taraiky tao an-trano izy no tsy tafavoaka intsony ka tototry ny afo tao. Ankoatra izay, trano maro levon’ny afo, […]

Vola sandoka : Lehilahy iray tratra nanaparitaka

Vosambotry ny polisy miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, etsy Analamahitsy, afakomaly atoandro, ny lehilahy iray nanaparitaka vola sandoka. Nanao petra-bola manodidina ny 240 000 Ariary tamin’ny Cash point iray teny Analamahitsy ity lehilahy ity. 20 000 Ariary maro, izay vola sandoka ny ankamaroany, fa nampiany 10 000 Ariary tena […]

fiarahamonina sivily: Tsy tokony hitsara ny Ceni

“Vao haingana izao, misy milaza fa tsy manara-dalàna ny Ceni. Andraikitra fiarahamonina sivily ve no tonga dia mi­tsara hoe tsy manara-dalàna ny Ceni?”. Io ny nambaran’ny kaomiseram-pifidianana eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Mickaël, teny Ala­robia, omaly, manoloana ny fanatanterahana fifidianana loholona amin’ny 11 desambra. Tokony hovakiana aloha ny lalàna vao […]