Taratra

Madagasikara sy Frantsa: Tetikasa marolafy vita sonia

Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fihaonambe faha-3 momba ny fitsinjaram-pahefana ifotony, niarahan’i Madagasikara sy i Frantsa. Nandritra ity roa andro nanaovana fifanakalozan-kevitra sy fifampizarana traikefa ity, fantatra izao fa tetikasa maro no vita sonia. Anisan’izany ny taratasy faniriana hanangana fiaraha-miasa ara-pitantanana ifotony eo amin’ny Kaominina […]

Fablab EnR-out: Hanosika ny tanora amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, ny « Fablab EnR-out ». Tetikasa vaovao mikendry ny hampiofana ny tanora amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Foibe mandehandeha izy io, mitovitovy amin’ny maodely « C’est pas sorcier », saingy mifantoka ma­nokana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Hanome fahafahana ireo […]

Soka-dranomasina: Hita eto Madagasikara ny karazany 5 amin’ny 8 maneran-tany

Ankoatra ny sokatra an-tanety, mampiavaka an’i Madagasikara iha­ny koa ny fananany Soka-dranomasina na Fano. Misy ny tetikasa Aro Fano hiarovana azy ireny. Tsy misy afa-tsy 8 ny karazan-tsokatra an-dranomasina maneran-ta­ny. Hita eto amintsika daholo ny 5 amin’izy ireo, dia ny sokatra voaravaka (Eretmo­chelys imbricata), ny sokatra maitso (Chelonia mydas), ny […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fandraisana ireo tetikasa ho an’ny 1st Step Fund”. Natao hanohanana ireo mpamokatra sarimihetsika izy ity, izany hoe, fanampiana manomboka amin’ny dingana voalohany hidirana amin’ny sehatra mihitsy. Ireo manana tetikasa amina horonantsary fohy aloha no entanina handefa ny vokatra, mialoha ny 18 oktobra izao. Tombony lehibe ho an’ireo mpanatontosa […]