Efa an-dalana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ny eo anivon’ny minisitera misahana ny Fanavaozana sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena. Itovizan’ ireo minisitera hevitra fa entina hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena ny tahaka izao ka manao tantsoroka amin’izany izy ireo. Nambaran’ny minisitra, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa resy lahatra […]
Politika
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ny fitabatabana no hanendrena ho minisitra”
Mitarika hetsika an-dalambe ireo tanora Gen Z fa hoe tsy voatendry ho minisitra? Mamaly ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ny fitabatabana no hanendrena ho minisitra”. Valin-teny avy hatrany… “Manentana ny tanora mba hianatra ny politika tena izy. Fa tsy hoe mitabataba eny amin’ny tambajotran-tserasera; avy eo, mametraka […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho Préfet de police eto Antananarivo ny administratera sivily Andriasy Vonjy Maminjanahary. Tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha izany. Efa sefo distrikan’Ambatolampy sy Antanifotsy ny tenany nialoha izao fanendrena izao. Tsiahivina fa voafidy ho mpikamban’ny Ceni ny Préfet teo aloha, Rajafetra Setraniaina. Niavaka ny tao amin’ny minisitera […]
Antenimierampirenena: Hifanatrika ny depiote sy ny Praiminisitra
Nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena. Hanomboka amin’ny alatsinainy izao izany. Fihaonana voalohany eo amin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy ireo depiote. Anisan’ny ho tafiditra ao anatin’ny lahadinika amin’izao fihaonana izao ny hanoloran’ny Praiminisitra ny Fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE). Eo koa ny momba ny […]
KMFP : “Tsy tokony hahamaika ny fifidianana”
Aiza ho aiza ny fanavaozana ny fanaovana politika? Tsy tokony hahamaika ny fifidianana, fa mila halamina, diovina, aloha ny tontolo politika sy ny fifidianana, raha ny fijerin’ny Komity mpanomana ny fanavaozana politika (KMFP). “Tanjona ny hampitovy hevitra ny mpanao politika, ny fiarahamonina sivily sy ny mpanao politika. Izany dia hisian’ny […]





