Nametraka ny ahiahiny manoloana ny fanendrena ny ho mpikambana eo anivon’ny Ceni ny antoko HVM. Tsy nisalasala ny filoha nasionaliny, Rakotovao Rivo, tamin’ny fanehoan-keviny, afakomaly. Mangataka fanampim-panazavana avy amin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, na ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana ny tenany momba izany. « Manjavozavo ny fomba fanendrena mpikambana eo anivon’ny Ceni […]
Politika
Voalaza fa hanonganam-panjakana : 20 miliara Ar nahodina tao amin’ny FSM
Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, omaly, fa tena nisy ilay fikasana hanongam-panjakana. Misy ifandraisany tamin’ilay 20 miliara Ar, voalaza fa voahodina tao amin’ny Fonds souverain Malagasy izany. “Misy ifandraisany satria anisan’ny nikononkonina fanonganam-panjakana sy hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ny mpitantana tao anatin’ny FSM, ary nampiasa ny vola tao amin’ny FSM […]
FANTINA sy FINTINA
Ilaina ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana hampandrosoana ny faritra tsirairay avy, araka ny nambaran’ny loholona teo aloha, i Vaovao Benjamin. Nanteriny fa ahafahana mampandroso ny faritra sy handrindrana ny fitantanana ny firenena izany. «Anisan’ny mampihisatra ny fitantanan-draharaham-panjakana ny tsy fipetrahan’izany», hoy izy. Voafidy hisolo tena ny HCC eo anivon’ny biraon’ny Ceni, Rajafetra […]
Fitantanan-draharaham-panjakana: Nanolotra tatitra tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Mediatiora
Ireo asa vita nandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025, manasongadina ny andraikitry ny Mpiahy an-drariny ny vahoaka na ny Mediatioran’ny Repobika amin’ny maha rohy mampifandray ny Fanjakana sy ny vahoaka azy. Izay no nanaovan’ny Mediatioran’ny Repoblika, ny Pr Andrianaivotseheno Ravaka, tatitra tamin’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, […]
Herinandro Masina : Mitaky ny hialana amin’ny fitiavan-tena ny arseveka
Efa ao anatin’ny fanamarihana ny Herinandro masina tanteraka ny mpino kristianina amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nitondra ny teny fampianarana momba izany ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean De Dieu. Tsotra ny teny fampianarana nentiny amin’izao fiatrehana ny Herinandro masina izao. « Aoka isika hanaiky tanteraka fa tena mpanota. Mora mirona […]





