Nitondra fanazavana manoloana ireo resabe momba azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tetsy Anosy. Hentitra ny nambarany fa tsy misy ny olana eo aminy sy ireo loholona na koa amin’ny mpitondra fanjakana. “Tsaho iniana aely izany ary fampiadiana tsotra izao”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa natao avokoa […]
Politika
Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Manampy amin’ny fanajariana an’Antananarivo ny Jica
Hifarana afaka andro vitsy ny fe-potoam-piasan’ny solontena maharitry ny Jica, Tanaka Kaori, eto Madagasikara. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, omaly. Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, tetsy Anosy, ny nanaovana tombana teo amin’ny fiaraha-miasa Japoney Jica sy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny MFFT […]
Hiavaka ny fankalazana ny 26 jona: hametrahana tsangambato lehibe eo Analakely
« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io no tara-kevitra voafidy entina hankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy Malagasy. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana izany. Nitarika ny fampahafantarana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka […]
Fanatanterahana ny toromariky ny filoha: hampitombo ny hafainganam-pandehany ny fitsarana
Notanterahina tetsy amin’ny Fitsarana ambony Anosy ny fananganan-tsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambarany tamin’izany ary nanafarany ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisitera fa mampitombo ny hafainganam-pandeha ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka fampandrosoana. “Manana anjara biriky lehibe amin’izany ny fitsarana amin’ny ankapobeny, amin’ny alalan’ny fametrahana […]
Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka: “Tsy teny na kabary ambony vavahady ny fitiavana…”
Nampita hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Tokony ho porofoina amin’ny asa ny fitiavana, araka ny fanambaran’izy ireo. “Tsy teny na kabary ambony vavahady ny hoe tia fa hetsika hita maso amin’ny hatao rehetra. Ka hoy izahay hoe tiava marina tokoa ka […]