Politika

FANTINA sy FINTINA

“Tsy misy ny fiatoana politika, na hoe ao anatin’ny fety aza. Isan’andro ny fampiharan-dalàna. Fomba fitantanana ny firenena ny politika, ka tsy azo tapahina na eo aza ny fety”. Izay ny fijerin’ny filohan’ny antoko Avotra ho an’ny firenena, ny Dr Razafindrakoto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana”

“Enga anie ka fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana tiantsika hajoro eto Ma­dagasikara. Ary tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy”. Io ny fiarahaba sy firariantsoan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Ampy izay ny fa­naovana ny olona ho zaza lava: omeo vary, omeo ronono, omeo paompy… […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama: “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana”

Tapitra ny roa volana fanamby ho an’ny governemanta amin’ny fanavaozana ifotony sy ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Mby aiza ? Ho avy ny tomban’ezaka… “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana ny fanavaozana ifotony”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny dinidinika tamin’ny tamin’ny haino aman-jery sy ny solontenan’y Gen Z, teny Mahazoarivo, omaly. […]

FANTINA sy FINTINA

Ny Malagasy rehetra mivondrona entanin’ny fitiavana ny firenena sy ny Malagasy mitovy amin’ny tena ihany no lalana hampandroso ny firenena. Izay ny fiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny filoha mpisolo toerana ny Antenimierandoholona, ny loholona Ndremanjary Jean-André, ny 1 janoary teo. Amin’ny maha andrimpanjakana mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona […]

FFKM : “Ho taon’ny fitiavana sy fifankatiavana ny 2026”

“Manasa antsika hanatsara ny faravodilanitry ny fisiantsika ka amin’ny fitiavana dia manampy antsika mba tsy ho maraina tonga hariva fotsiny ny fiainantsika, fa tena fiainana vonton’ny fitiavana sy ny fifankatiavana”. Io ny fiarahabana sy firarintsoan’ny filohan’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Mada­gasikara (FFKM), ny arsevekan’ Antananarivo eo anivon’ny Ekar, ny Mgr […]