Mila mametraka ny firaisam-pirenena ny fitondram-panjakana ao anatin’ny Fanavaozana mijoro amin’ izao. Izay ny fanambaran’ny eo anivon’ny mpitahiry ny Hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny tranoben’ ny Merina. Ao anatin’izany ny fametrahana fomba iray iombonana ho an’ny foko 22: ny lohataona. Hatramin’ izay, tsy nisy ny fametrahana an’izay firaisam-pirenena izay. Fandravana izany […]
Politika
ady amin’ny tsimatimanota: “Aoka tsy hanavahana olona”, hoy ny depiote Pety
“Aoka mba tsy hisy intsony ny hoe tsimatimanota. Zava-dehibe izay, fa zava-dehibe mila jerena koa ny hoe: aoka mba tsy hisy fanavakavahana ny ady amin’ny tsimatimanota”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny ady amin’ny tsimatimanota ataon’ny fitondrana […]
KMF/Cnoe : “Tokony halana tokoa izay depiote tsy tonga mivory”
Naneho ny heviny ny KMF/Cnoe tamin’ny alalan’i Namearison Robert momba ny fanesorana ireo depiote tsy tonga mivory. Tokony hampiharina io lalàna io, araka ny nambarany. “Tena marina io lalàna ampiharina amin’ny parlemanta tsy tonga mivory io: rehefa tsy tonga mivory mandritra izao dia iharan’ny sazy toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry […]
Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy hahasakana ny fiampangana eny amin’ny parlemanta”
“Efa nametrahana fitoriana niarahana amin’ny Gen Z eny Antenimierampirenena mba hahazoana manao fiampangana azy. Tsy misy hahasakana an’io fiampangana io.” Izay ny fanazavan’ny minisitry Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny tambajotran-tserasera, fiandohan’ny herinandro teo, ny amin’ny raharaha momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Hotsarain’ny vahoaka eo izay mieritreritra hanakana an’io, […]
FANTINA sy FINTINA
Efa hita taratra ny fanovana, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpanjaka telo tonta amin’ny foko Antesaka ao Vangaindrano, i Ndimbiarison G, afakomaly. Eo ny fiverenan’ny hasin’ny mpiasam-panjakana sy ny hasin’ny olom-boafidy izay nanara-drenirano teo aloha. Niverina koa ny zo fototra amin’ny fahazoana maneho hevitra. Hita koa ny tokony hanavaozana ny […]




