Nanao fanambarana miaraka ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM noho ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina sy tsy marim-pototra momba ny fanasana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, hiatrika ny fikaonandoha. « Tsy mahalala ary tsy nanasa sy tsy ambadiky ny fanaparitahana izany fanasana izany izahay », hoy izy ireo, afakomaly. Hentitra ny […]
Politika
very zom-pirenena : Tsy afa-manao hetsika politika
“Voailika ho azy, avy hatrany, ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary tsy manan-jo hirotsa-kofidina na hifidy intsony izay very zom-pirenena malagasy. Tsy mahazo manao hetsika ara-politika, na mivantana na ankolaka, amin’ny raharaha ara-politika eto amin’ ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara koa”. Io ny fanambaran’ny fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, voaray […]
Fikaonandoham-pirenena: Miantso ny rehetra handray anjara ny FFKM
Nisokatra amin’ny fomba ofisialy omaly, teny Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nitarika izany ny eo anivon’ny FFKM. Nisy sy hafatra sy fanentanana nataon’izy ireo tamin’izany. “Andao àry samy hitondra ny anjara biriky isika, hoporofoina fa afa-mifampiresaka sy mifandresy lahatra ary mifampihaino am-pitoniana sy am-panajana isika mba ho hita taratra sahady ny fanovana […]
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny FFKM fa anisan’ny nasaina ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, amin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena, anio, eny Ivato. Nambaran’izy ireo fa misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara amin’izany. « Diniky ny samy Malagasy ary vatsian’ny Malagasy vola », hoy izy ireo. Mbola hisy fampiofanana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo hiatrika […]
Dr kolonely Zafitasondry Marcellin : “Sahia mitoroka trangana kolikoly ianareo vahoaka”
“Raha misy trangana kolikoly aminareo vahoaka, sahia mitoroka”, hoy ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Dr kolonely Zafitasondry Marcellin, tamin’ny fitokanana ny birao vaovaon’ny Bianco, 104 tapitrisa no nanamboarana azy, izay fandraisana fitarainana tsy lavitra ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, tao anatin’ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny […]




