Politika

FANTINA sy FINTINA

Nijoro ny vovonana nasionaly GenXYZ. Tan­jon’izy ireo ny handray andraikitra hanarina ny firenena. Eo koa ny fitakian’izy ireo ny fanovana rafitra mika­tsaka ny tombontsoam-bahoaka. Na izany aza, nanambara izy ireo fa manohana ny fitondrana. «Tsy hisafosafo fa hiteny hanitsy raha misy ny tsy mety», hoy izy ireo. Nodisoin’ny Tim ny […]

Fivoahana amin’ny krizy : Hitondra fehin-kevitra ny silamo

Niditra an-tsehatra koa. Nanambara ny eo anivon’ny Komity nasionalin’ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny mpino miozolomanina (KN-FPMM) fa hanolotra ny fehin-kevitra koa izy ireo amin’ny fikaonandoha hatao eto amin’ ny firenena. Efa nanao ny fikaonandoha-paritra izy ireo, omaly, ary hatao ny 20 sy 21 desambra eny Andohatape­naka kosa ny fikaonandoha nasionaly. « […]

Fihaonana tamin’ny filoham-panjakana : Hanamafy ny fiaraha-miasa ny Firenena mikambana

Mitohy hatrany ny fandraisan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël ireo eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny nihaona taminy ny faran’ny herinandro teo ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU). Nivoitra tamin’ny fihao­nana teo amin’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Ma­dagasikara. Tafiditra ao ana­tin’izany ny fanohanana ny dingan’ny fanavaozana eto amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitory ny filoha Rajoelina eny amin’ny Anteni­mierampirenena ny Gen Z. Nanoratra antontan-kevitra sy fitoriana iampangana azy izy ireo ka miompana amin’ny And. faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. Anisany ny famadihana tanindrazana sy ny fani­tsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana. Niantso ireo depiote hankato izany izy ireo. Hitohy anio, ao Antsirabe, ny fihaonan’ny […]

Antoko politika : Hofaranana amin’ny fifanarahana ny fikaonandoha

“Aleo ny samy mpanao politika hiaraka hikaondoha sy hifanasa vangy, ary ho tonga amin’ny fifanarahana amin’ny fanaovana politika amin’ny fomba hitondrana ny raharaham-pirenena.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra eo ani­von’ny Sehatra ifanakalozan’ ny antoko politika eto Mada­gasikara (Siap) sady sekre­tera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, momba ny fikaonandohan’ireo antoko politika 60 eo […]