Politika

Fanaovana sy fivarotana toaka gasy : Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna vao lany

“Lany soa aman-tsara ny to­lo-dalàna. Mikitika ny fitondram-panjakana amin’izao mba hanafaingana ny fanatanterahana azy. Ny famoahana didy fampiharana sisa no andrasana”. Io no nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany Ambositra, Andriami­haja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, teny Tsimba­zaza, omaly, ny amin’ny fanaovana sy fivarotana toaka gasy eto Madagasikara. Izy no […]

Depiote Milavonjy Philobert : “Ny Fitsarana avo ihany no afa-mitsara ny filohan’ny Repoblika”

Naneho ny heviny ny filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Ny HCJ ihany no afaka manao izany, araka ny nambarany. “Mazava ny lalàmpanorenana sy ny la­là­na mifehy ny Fi­tsa­rana avo (HCJ), tsy afa-mitsara ny filohan’ny Re­poblika ny fitsarana tsotra”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny fahavononany amin’ny adidy ho an’ny vahoaka indray ny depiote Ratsivahiny Andry, tao amin’ny facebook, omaly. Nanteriny fa ho tohizana ny efa natomboka. « Asa fampandrosoana ho an’ny vahoakan’Atsimondrano hatrany. Mitohy ny asa ho an’ny tantsaha, ny vehivavy… », hoy izy. Manaiky ny dingana vitan’ny fitondrana ny sehatra iraisam-pirenena, araka ireo fanambarana maro […]

Fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana : Mangataka fanamelohana i Madagasikara

Nandray anjara fitenenana tamin’ny fivoriana faha-24 ataon’ny fanjakana mpikambana eo anivon’ny Fitsarana heloka bevava iraisam-pire­nena (CPI), tany La Haye, Pays-Bas, afakomaly, ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fani­risoa. Soso-keviny ny hampidirana ny heloka bevava momba ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana ho anisan’ny heloka azo henjehina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. […]

Filoha lefitry ny Ceni : « Mitaky fanavaozana ny fikarakarana fifidianana »

Nanao ny fianianany ny filoha lefitra faharoa eo anivon’ny Ceni, omaly. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny momba ny tontolon’ny fifidianana. «Iarahan’ny rehetra ma­hafantatra sy manaiky fa mila fanatsarana ary mitaky fanavaozana ny fikarakarana sy fitantanana fifidianana eto Madagasikara. Noho izany, tsy maintsy horaisina ny andraikitra rehetra hahazoana mametraka didy aman-dalàna vaovao […]