Tsy mahazatra ny sasany ny ady amin’ny tsimatimanota, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. « Tsy midika ho valifaty politika izany. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka misitraka marina ny harem-pireneny fa tsy famoretana na fanenjehana olona tsy an-drariny », hoy izy tetsy Anosy ny zoma teo. Lohalaharana amin’ny fanampian’i Frantsa ny […]
Politika
Fitantanana eny ifotony : Misy fepetra ny fifidianana lehiben’ny fokontany
Miandry aloha. Nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, fa misy fepetra ny firosoana amin’ny fifidianana ireo ho lehiben’ny fokontany. « Tena ilaina fitoniana izany vao hotanterahina. Miankina amin’ny zava-misy », hoy izy. Nanteriny fa efa vonona hiroso amin’izany ny eo anivon’ny minisitera tantaniny amin’ny andraikitra tandrify azy. Na […]
Fiaraha-miasa : Hanohana ny fikaonandoham-pirenena ny Frankofonia
Nihaona tany Paris ny herinandro teo ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine sy ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia (OIF). Nivoitra tamin’ny izany ny dinika momba ny raharaham-pirenena. Nanamafy indray ny fanohanany an’i Madagasikara ny « Organisation internationale de la Francophonie – OIF) ». Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia, Louise Mushikiwabo miara-dalana amintsika ho amin’ny […]
Asa fanaovan-gazety : Natsangana ny komity hisolo ny OJM
Natsangana, omaly, ny komity vonjimaika hisolo toerana ny Holafitry ny mpanao gazety (CTOJM), taorian’ny nahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo birao. Najoro izany hialana amin’ny fahabangan-toerana. Miisa 18 ireo fikambanana mpanao gazety nivory nanapaka izany. Hiantoka ny hitohizan’ny asa ny CTOJM mandra-pahatongan’ny fifidianana. Tapitra rahateo ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny OJM. Nambaran’ireo nivory tamin’izany fa natsangana io […]
FANTINA sy FINTINA
Niravona ny disadisa teo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, sy ny depiote Tinoka Roberto. « Nisy tsy fifankahazoana teo aminay. Efa voavaha sy efa naravona izany. Niverina ny fifampitokisana sy ny fifanajana, ary miorina tsara indray ny fihavananay », hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity. Nangataka ny handinihina indray ny didy nampidirana am-ponja […]





