Politika

Kaominina Ambinanitelo: Mitohy ny fitokonana hanala ben’ny Tanàna

Mitokona efa ho roa volana izao ny vahoaka ao amin’ny kaominina Ambinanitelo, distrikan’i Maroantsetra, faritra Ambatosoa. Mitaky ny fametraham-pialana na fanoloana ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ny ben’ny tanàna Razafimahatratra Lau­rant, antsoina hoe Savôla, izy ireo. Famoahana rosia fita­kiana haban-tsena tsy manaraka ny fenitra, fitakiana haba amin’ny lakana kanefa tsy […]

Kly Randrianirina Michaël : « Avelao hiasa ny mpitondra »

Nitohy tany Toamasina ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny momba ny fitantanana ny firenena. «Avelao hiasa aloha ny mpitondra fa ho­tsaraintsika amin’ ny asany. Efa nisy asa maromaro vita tao anatin’ny roa volana fa mbola betsaka koa ny miandry », hoy izy. Ani­san’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny birao maharitra mba hanaja ny fitsipika sy ny fandaminana ny asa. «Aoka hifanaja sy hanaja ny tomponandraikitra», hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clemence, fa mety mbola maro ny nosamborina […]

Fikaroham-bahaolana : Mitaky tondrozotra « Ady gasy » i « Del kely »

Nahitsy ny depiote Razara Pierre Fidele, «Del kely», tao amin’ny fandaharany amin’ny radio fa tokony hafainganina ny fametrahana Tondrozotra avy amin’ny Malagasy. No­tsindriny koa fa ho avy ny SADC sy ny soridalany raha mitavozavoza isika ka hataon’izy ireo dika mitovy amin’ny tondrozotra taona 2009. «Mila manana ny antsika manokana isika, […]

Fanavaozana eto amin’ny firenena : ” Tsy resy lahatra ny 57% eto Antananarivo” hoy ny CCOC

Nivoaka ny tatitry ny fanadihadian’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, CCOC. Nataon’izy ireo hampisainana ny mpitondra amin’izao fotoana izao izany. Nivoitra tamin’izany fa tsy matoky ny fitondrana ny 57% amin’ny vahoakan’ Antananarivo. Niainga amin’ny fanadihadiana ireo olona miisa 1 200 amin’ny sokajin-taona samihafa amin’ireo boriborintany enina, teo anelanelan’ny febroary hatramin’ny novambra teo izany. […]