Hirosoana ny fitsarana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tao amin’ny Radio France internationale (RFI), omaly. Alohan’ny faran’ny taona no heverina hanatanterahana izany. Hatramin’ny nanesorana azy, tamin’ny 12 oktobra lasa teo, tombanana ho any Dubai izy amin’izao. Na izany aza, misy […]
Politika
Depiote Raby Savatsarah : “Ny fikaonandoham-pirenena no hanafoana na tsia ny Fitsarana avo”
Hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ). Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tamin’ny televiziona rosianina iray, tamin’ny herinandro. Lasa adihevitra… Natao hitsarana ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny HCJ, araka ny lalàmpanorenana. “Ny fihaonambem-pirenena tamin’ny 2010 no nametrahana ny […]
Diplaomasia malagasy : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina
Tsy mbola foana ny fampiatoana ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny UA. Eo ny fitakiana tondrozotra marimaritra iraisana ho amin’ny fanatanterahana fifidianana. Manamafy ny fahavononana hiara-miasa ny Raharaham-bahiny… Nohamafisin’i Madagasikara ny fahavononany hiara-miasa akaiky amin’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hisian’ny fitoniana maharitra sy […]
FANTINA sy FINTINA
Efa misokatra ny fanadihadiana tamin’ny fihoaram-pefy nataon’ny zandary tamin’ireny hetsika an-dalambe ireny, araka ny nambaran’ny kaomandin’ny zandary, ny Jly Mamelison Mbina Nonos. Niatrika ny famindram-pibaikoana teo anivon’ny vondron-kerin’ny zandarimaria sy ny kaomandin’ny fari-piadidiana ny tenany, ny zoma teo. Hiroso amin’ny sivana amin’ireo dosien’ireo kandidà ho lehiben’ny faritra ny eo anivon’ny […]
KMF/Cnoe : “Mbola manjavozavo ilay fikaonandoham-pirenena”
“Amin’izao, izay resahina rehetra dia hoe any amin’ny fikanandoham-pirenena. Nefa izay aza mbola manjavozavo. Tsy fantatra hoe ahoana marina, miainga aiza, iza no handray anjara, inona avokoa no hodinihina? Ilay fikaonandoha izao no tokony hikaonan-doha”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, tany Morondava ny […]




