Politika

Andrianainarivelo Hajo : « Hery ho amin’ny fanavaozana ny tanora »

Anisan’ireo nandray anjara fitenenana tamin’ny fihao­nambe iraisam-pirenena « Con­fé­rence internationale » nokarakarain’ny « Internationale dé­mocrate centriste IDC-CDI » aty Afrika ny filoha nasionalin’ ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo. Nambarany, tamin’izany, ny andraikitry ny tanora. « Tena ilaina amin’ny fanorenana de­mokrasia ma­tanjaka sy maharitra izy ireo. Maro an’isa ny tanora ary loharanon-kery lehibe amin’ny fanavaozana, […]

FANTINA sy FINTINA

Nesorina tamin’ny toerany ny Kly Rakotoma­monjy Patrick, tale misahana ny birao fandraisana fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Nota­pahan’ny filankevitry ny minisitra ny fanalana azy amin’ ny toerany. Tsiahivina fa anisan’ny nahalalana azy ireo horonantsary maromaro nifanesy nitsikera ny fitondrana Rajoelina. Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny RDS, Andrianirina Fetison. […]

Fametrahana laharam-pahamehana: Havaozina ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa

Fifanarahana hanoma­nana ny fananganana rafitra fiaraha-miasa vaovao mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny Fanavaozana. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fanambarana iombonan’ny minisitry ny Vondrona eoropeanina sy ny Raharaham-bahiny frantsay, i Jean-Noël Barrot, sy ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Razana-mahasoa Christine, afakomaly, nam­pitain’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, omaly. Manka­sitraka ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana sy ny […]

Fihaonana tamin’ny Sadc : Manangasanga ny tondrozotra amin’ny Tetezamita

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, ny sekre­tera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias M. Magosi. Voaresaka ny momba ny fitantanana ny Tetezamita. Nifanakalozan-kevitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, tamin’izany ny momba ny tetezamita eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny sekretarian’ny Sadc. Ao anatin’izany ny […]

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Aoka hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”

“Ny hita amin’izao, lasa tsy mahay indray ny fitsarana? Fa nahay izy teo aloha… Rehefa amin’ny andro inona dia marina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana? Misy resaka politika ao anatiny. Aoka kosa hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”. Izay ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Randrianasoloniai­ko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanalana ireo […]