Miroso tsikelikely amin’ny fanovana sy fanavaozana. Nilatsaka ny baiko avy amin’ny minisiteran’ny Atitany manoloana ireo fidinana ifotony ataon’ny mpitondra fanjakana. Namoaka didy izy ireo fa tsy azo atao intsony ny mamory olona maro tsy avoakasiky ny fandalovan’ny tomponandraikim-panjakana. Anisan’izany ny mpianatra, ny mpampianatra na koa ireo sampandraharaha teknika tsy anisan’ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Vonona handray anjara amin’ny dingana hahatongavana amin’ny fanavaozana ny eo anivon’ny fikambanana Silamo sy ny “Comité nationale de concertation citoyenne des Musulmans ». Noraisin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra, izy ireo, omaly. Mangataka ny Pr Rabesa Zafera Antoine hatao lehiben’ny faritra Boeny ireo tangalamena sakalava. […]
Fikaonandoham-pirenena : Samy maka bahana ny Tim, ny Irmar, ny MMM…
Am-periny tanteraka amin’ ny hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena, iarahana amin’ ny FFKM, ireo antoko politika sasany amin’izao fotoana izao. Ho an’ny eo anivon’ny Irmar, efa nanolotra ny sori-dalana tamin’ny iraky ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA) farany teo izy ireo mba hoentina amin’ny fihaonambem-pirenena. Efa an-dalam-pamolavolana ny tondrozotra koa ny […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Miainga any amin’ny Faritra ny fanavaozana”
Sambasamba… Nidina ifotony voalohany tany amin’ny faritra ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nambarany fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandrosoana. “Antenaintsika fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandrosoana. Ny tena anton-dianay aty, mampiseho ny fihainoana anareo vahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy tokony ho fialokalofan’ny mpanao ratsy ny Andrimpanjakana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny FMI Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Anisan’izany ny Antenimierampirenena. « Tsikaritra fa ihazakazahan’ireo mpanao politika manana dosie maloto ny mirotsaka hofidina depiote. Tokony hanokafana fanadihadiana izy ireny », hoy izy. Hihazo any Frantsa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Hanamafy ny […]




