Nampahafantarina ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny boky Tombana anatin’ny tondron’ny fitantanana ifotony (Tatfi – AEIGL). Tafiditra amin’ny ezaky ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo izany. Eo koa ny fampandrosoana ny eny ifotony. Dingana iray vita amin’ny alalan’ny Drafi-pirenena […]
Politika
Fihaonana an-tampon’ny Sadc : Folo ireo filoham-panjakana nanamafy ny fahatongavany
Efa manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Miisa folo ireo filoham-panjakana nanamafy ny fahatongavany hiatrika izany. “Eo amin’ny 600 eony delegasionina ho tonga, ary folo ireo filoham-panjakana efa nanamafy ny hahatongavany. 17 aogositra ny fivorian’ny filoham-panjakana, 15 aogositra dia efa ho tonga, ohatra, ny filohan’i Afrika Atsimo”. Io […]
Tolokevitry ny Ceni: Hatao amin’ny novambra ny fifidianana loholona
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa nandefa ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ireo ho loholona eny anivon’ny governemanta izy ireo. Tokony hotontosaina ny volana novambra ho avy izao izany, araka ny tolokevitr’izy ireo. “Miandry ny fanapahan-kevitry ny rafitra mpanatanteraka momba izany izahay”, hoy ny mpampakan-tenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika ny faran’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Mitohy ny hetsika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra, tanterahan’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ny alalan’ny vehivavy VMMM. Mivarotra fitaovam-pianarana amin ‘ny vidiny mirary izy ireo amin’izany ka hisitraka izany ny herinandro ity ny eny Ambohitrimanjaka, Ambohimangakely, Alasora, Vilihazo ary Ambohitseheno… Mamita iraka any Bénin ny delegasionin’ny Ceni, tarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsene. […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny Sadc»
Amin’ity herinandro ity, hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry minisitra ny firenena mpikamban’ny Sadc, izay hatao amin’ny 12-14 aogositra ho avy izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izany, hisy ny dinika hiarahan’ny firenena mpikamban’ny Sadc miaraka amin’i Etazonia. Handinihana ny hoavy sy […]




