129 taona, 6 aogositra, teo ny naharava ny fitondran’ny mpanjaka teto Madagasikara. “129 taona niainana tao anaty fanjanahantany hatramin’izao isika”, hoy ny eo anivon’ny fikambanana Gasy Tompon’ny Tany. Ahitana ny vondron’ireo raiamandreny ara-drazana ny fikambanana ary hiady ho an’ny firenena sy ny taranaka, hametraka ny tena fahaleovantena marina. Nambaran’ny minisitry […]
Politika
Fiarahamonina sivily ; “Miantoka ny fahamarinan-toeran’ny firenena ny CESC”
“Hanamafy ny Repoblika ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy ny fifampidinihana eo amin’ny samy mpiara-miom-bon’antoka amin’ny fiainam-bahoaka ny fananganana Filankevitra ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina (CES C)”. Io ny fanambaran’ny fiarahamonina sivily, toy ny Hetsika Rohy, Fivmpama, WWF, sns, tamin’ny fihaonana teny Ambatonakanga, ny faran’ny herinandro teo. Naneho ny traikefan’ny Filankevitra […]
Filoha Rajoelina Andry: Nandray ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc
Ho fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45, noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Lapam-panjakana Iavolohany sekretera mpanatanteraky ny Sadc, omaly. Nandray ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny vondrona Sadc, i Elias Magosi, teny amin’ny Lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Niompana indrindra amin’ ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny faha-45 hataon’ […]
Fandaharan’ny TVM: Hisy vaovaon’ny Sadc isan’andro
Mba tsy ho tompon-trano mihono. Efa ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy amin’ireo hetsika tafiditra ao anatin’izany no efa mandeha. Eo koa anefa ireo mbola ho avy ato anatin’ny andro vitsy. Araka izany, hisy hatrany ny fandaharana izay harahin’ny […]
Fiaraha-miasa ara-toekarena: Hanohana ny fambolena sy ny fizahantany ny firenena maorisianina
Nanolotra ny taratasy manendry azy honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha, ny masoivoho vaovaon’ny Nosy Maorisy, Bruno Cunniah. Voatsiahy tamin’ny fihaonana fa efa an-taonany maro ny fifandraisana teo amin’ny firenena malagasy sy maorisianina amin’ny maha nosy mpirahavavy azy aty anivon’ny ranomasimbe Indianina. Eo […]




