Politika

FANTINA sy FINTINA

Atao andrimaso eny amin’ny Bianco, efa hatry ny afakomaly ny tale jeneraly teo aloha an’ny Cnaps, Rakotondraibe Mamy, sy ny tale jeneralin’ny SMGD, Andriamananony Thierry. Nantsoin’ny Bianco koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Anisan’ny hanadihadiana azy ireo ny momba ny fitantanana tsy ara-dalàna. Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana azy ireo […]

Ceni – fifidianana: “Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena”

«Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hisy ny fikaonandoham-pirenena izay karakaraina amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy ny adihevitra momba ny vanin’andro hanatanterahana fifidianana amin’izay fikaonandoham-pi­renena izay». Io ny fanaza­van’ny filohan’ny Ceni, An­dri­a­narisedo Dama, teny Ala­robia, afakomaly, taorian’ny fihaonan’ ny iraka manokan’ny Von­drona Afrikanina (UA). Rehefa […]

Andriantsitohaina Claudia : Maneho ny fanohanana azy ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena

Tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona an’Andriantsitohaina Claudia eny amin’ny Bianco, saingy tsy mbola navoaka izy. Mampiaka-peo noho ny tsy fanajana ny zony ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena. Efa mihoatra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ahafahana manao an­drimaso ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Maneho ny alahelony, araka izany, ny fiarahamonim-pirenena […]

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra amin’ireo « Diaspora » any Frantsa ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra, omaly. Nambarany fa namantana firenena efa potika ny tenany ka tsy ho mora ny hanarina azy. « Tsy ho vita rahampitso sy afakampitso fa mila fotoana. Efa miasa sy mitady vola izahay izao », hoy izy. Naneho […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Mamarana ny Politika ankapoben’ ny fanjakana aho izao”

“Izaho mbola mamarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fa­norenana ifotony izao. Araka ny lalàmpanorenana izay. Vo­alazan’ny lalàna koa ny fanaovana fanambaram-pananana”. Io ny fanazavan’ny Prai­mini­sitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny nametrahan’ny governemanta fa­nambaram-pananana teny amin’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohi­dahy, omaly. Nape­traka ny lalàna mifehy […]