Politika

Filoha Rajoelina Andry: “Ho avy ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc”

Efa akaiky ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, hoavy avokoa ireo filoham-panjakana eo anivon’ity rafitra ity. “Niantso avokoa ny filoham-panjakana, ny avy ao Afrika Atsimo nilaza fa ho avy. Ny avy any Tanzania, ny Repoblika demokratikan’i Congo, ny Praiminisistra atsy Maurice, ny […]

Masoivohon’i Algérie : Nitsidika ny filohan’ny Antenimierampirenena

Noraisin’ny filohan’ny An­tenimierampirenena, Toke­ly Justin, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny masoivohon’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka, Miloud Benmakhlouf, omaly. Nohamafisina, nandritra iza­ny, ny fifandraisana ara-di­plaomasia sy ara-pirahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta. Maro ireo fifanarahana mila havaozina mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanofanana arakasa ary ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra fiantsoana fitoniana ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin. Niantso ny hampitsaharana ny fifandranitana politika ny tenany amin’izao handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Nanentana ny rehetra hahay handala ny soatoavina sy ny fihavanana koa ity filohan’Andrimpanjakana ity. Vahiny manokana hanatrika ny fivorian’ny Sadc ny filohan’ny Banky arabo ho […]

Fihaonana an-tampon’ny Sadc : Miantso fitoniana ny depiote Tojosoa Ideal

Solombavambahoaka anisan’ny nanamafy ny antso avo nataon’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Tokely Jus­tin, ny depiote, Tojosoa Ideal. “Andao hampandeferina ny adihevitra politika fa hifantoka amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc”, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Vangain­drano ity. Nanteriny fa hanome vahana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty Afrika, izao fanatanterahana […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny: «Hiarovana ny tombon­tsoam-pirenena ny fihaonan’ny Sadc»

“Hahazoana miaro ny tombontsoam-pirenena ny fihaonana an-tampony toy izao, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena izay anisan’ny iompanan’ny vondrona Sadc bebe kokoa”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafarava­vitafika, tamin’ny mpanao gazety teny Ivato, omaly, ny amin’ny tombontsoan’i Mada­gasikara amin’izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Maneho ny haitarika […]