Politika

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika ny mpitari-tolon’ny Gen Z, nandritra ny fandraisam-pitenenany teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly. Hanomboka hitokona isan’andro eny an-toerana izy ireo ary hitety ny minisitera rehetra tsy hisy hanohy ny asa andavanandro intsony. Nilanja sorabaventy teny Ankorondrano sy ny manodidina ireo tanora […]

Fomba fiasa teknika eny ifotony: Hofaritana ny sisin-tanin’ny fokontany

Notanterahina ny herinandro teo ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny Foiben-taontsaritanin’i Madagasikara (FTM) sy ny sampandraharan’ny fandrefesan-tany (DST), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny nifantohan’ny lohahevitra ny lafiny teknika sy stratejika mba hirosoana amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fananantany sy ny fanajariana ny tany. Anisan’ny nifanakalozana hevitra […]

Fiadidiana ny Repoblika : “Ny fifampiresahana no vahaolana amin’ny krizy”

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fiantsoana fifampiresahana mba hamahana ny olana misy amin’izao fotoana izao. «Ny fiadidiana ny Re­poblika dia ma­nambara amin’ny vahoaka sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa misy ny fikasana haka an-keriny ny fahefana amin’izao fotoana izao, eto amin’ny tanin’ny Repoblika, […]

OJM : Handray fepetra amin’ireo mpisandoka

Mitohy ny fampitandre­man’ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ireo misoloky sy misandoka izany asa izany. Nambaran’ny filohany, i Mo­nica Rasoloarison tetsy Ambohidahy fa anisan’ny fepetra horaisina ny fanesorana ny mari-pamantarana azy ireny «Brassard» sy ireo marika hisandohana fa mpanao gazety. «Tsy azo idiran’olon-kafa ity asa ity ary […]

Firosoana amin’ny fanelanelanana : Miantso ny tsy hifampi­han­tsiana ny FFKM

Namoaka fanambarana amin’ny firosoan’ny fa­nelanelanana ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Ma­nahy sakana amin’izany anefa izy raha tsy tanteraka ny fepetra tokony harahina. «Efa miroso amin’ny fanelanelanana amin’ireo ankolafin-kery samihafa ny FFKM izao. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy misy fitoniana», hoy izy ireo. Nanaovan’ireo filoham-piangonana antso avo ny rehetra […]