“Ho anay manokana, efa ela no niandry ny hisian’ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana. Nefa ny fanokafana azy tokony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra”, hoy ny mpitondra tenin’ny Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, ny amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Efa nitondra tolo-kevitra fanatsarana ry zareo, fa ny tsara indrindra dia mamory ireo mpisehatra rehetra […]
Politika
Raharaha « Iles Eparses » : Nitaky teboka mafonja ireo delegasionina malagasy
Tontosa tao Paris, France, omaly, ny fivoriana faharoan’ny Vaomiera itambaran’ny Frantsay sy Malagasy, momba ireo Nosy malagasy. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Barrot Jean Noel, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rafaravavitafika Rasata. Araka ny vaovao voaray, omaly, avy any Paris, nitaky teboka mafonja ny delegasiona malagasy, ary […]
Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin: “Andraikitsika ny fampandriana fahalemana”
Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miantso ny olom-pirenena rehetra aho fa ny fampandriana fahalemana sy ny filaminana dia andraikitsika rehetra. Isika no tokony hifanome tanana sy miara-mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana sy fitandroana filaminana. Isika no miara-monina eto amin’ity Nosy ity. Aleo isika handrindra ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy”. Io ny nambaran’ […]
Fifampiraharahana Nosy malagasy: ny minisitry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona any Paris
Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, no hitarika ny delegasiona malagasy. Amin’ny fanohizana ny fifampidinihana momba ny Nosy malagasy hataon’ny vaomiera iombonana frantsay sy malagasy any Paris, Frantsa, io, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, afakomaly. Handrafitra ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, i Mahatante Tsimanaoraty […]
Foloalindahy Malagasy: miara-miasa amin’i Egypte sy Inde
Naneho ny fahavononany hifanome tanana amin’ny Foloalindahy Malagasy ny firenena egyptianina sy indianina. Anisan’ireo firenena manana indostria ary efa mandroso koa amin’ny rafitra fiarovana ireto firenena ireto. Hanampy ny Foloalindahy Malagasy amin’ny fampitaovana sy hanome traikefa amin’ny fanamboarana sambo i Ejipta. Izay no fantatra tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ireo delegasiona […]




