Politika

Fitantanana eny ifotony: Mijery lavitra ny hoavin’ny kaominina ny MFFT

Nanatanteraka fivoriana niarahana ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony sy ny Sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tany ny minisitera (MFFT). Tan­jon’izany fihaonana izany ny ho fiomanana sahady amin’ny fitantanana ny kaominina sy ny tanàn-dehibe manoloana ny fivoaran’izy ireo amin’ny […]

Fanendrena Praiminisitra : Maka ny hevitry ny rehetra ny Filoha Rajoelina Andry

Hivoaka tsy ho ela ny anaran’izay ho Praiminisitra, handimby an’i Ntsay Christian. Efa lasa any amin’ny filohan’ny Repoblika ny anarana avy amin’ny ankolafin-kery samihafa. Misy miaramila, politisianina, mpandraharaha ara-toekarena. “Zava-dehibe ny na­neken’ny vondrona Irmar ny fisokafana. Raha ny And. 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny vondrona parlemantera maro anisa ao amin’ny […]

Fihaonana teny Iavoloha : Nivavaka ho an’ny firenena ny filoha sy ny FFKM

Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa maromaro ireo fihaonana marolafy nandraisany olona samihafa tao anatin’ ny 72 ora teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Anisan’izany ny eo ani­von’ny FFKM ka niresahana ny toe-draharaham-pirenena. « Nandray ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM aho. Nidinika lalina ny amin’ny toe-draharaha misy eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra ny avy amin’ny antoko ARB, tarihin-dRaobelina Andry. Nambarany fa hetsi- bahoaka izao ka tsy azo sakanana ny herim-bahoaka rehefa mifoha. Nitsangana ny vahoaka malagasy rehefa tena reraka sy leo ary tapa-kevitra. « Asesiky ny fitiavan-tanindrazana sy ny faniriana ho amin’ny fiovana marina izany », hoy izy. Naneho hevitra ny depiote […]

Hetsika nahazoana alalana : Hampiseho ny tanjany eny Antsonjombe ny Irmar

Anio vao tena raikitra ny hetsika hotarihin’ny eo anivon’ ireo vovonana mpanohana ny filoha Rajoelina Andry, iara­hana amin’ny Irmar. Haneho ny heriny amin’ny fanohanana ny fitondrana izy ireo amin’izany. Nambaran’ny eo anivon’ny Prefektiora, amin’ ny alalan’ny Jly Ravelonarivo Angelo, mitarika ny OMC, fa nomena alalana izy ireo amin’ izany hetsika […]