Resy lahatra ka hanolotra volavolan-dalàna ireo eo anivon’ny sendikan’ny mpirakidraharaha fitsarana. Anton’izany ireo hetsika na grevy ataon’izy ireo manoloana ny momba azy ireo. “Misy ny fitokonana matetika. Fototr’ izay ny fitakiana ny sata manokana mifehy ny mpirakidraharaha. Izay no nahatonga ny fitokonana nisesisesy, nanomboka tamin’ny taona 2011. Tamin’ny 2022 no […]
Politika
Prezidansa : Hiala sasatra ny mpikamban’ny governemanta
Namoaka fanambarana fampahafantarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa hisy vanim-potoana hialana sasatra eo anivon’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta. Anisan’ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, izany. Nanomboka ny 21 aogositra teo izany fialantsasatra izany ka hifarana ny 1 septambra ho avy izao. Na izany […]
KMF/Cnoe : “Tokony havoakan’ny Ceni ny datim-pifidianana loholona”
“Amin’ny volana janoary no fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Ny dikan’izay, tokony hatao ny kajikajy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Mba ho voahaja ny lalàmpanorenana momba izay”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, teny Ankerana, omaly, ny amin’ny fifidianana loholona. Tena misy ny lisi-pifidianana sy ny fanaikana […]
FANTINA sy FINTINA
Hiakatra fampanoavana anio maraina, etsy Anosy, ny « Raharaha Boeing 777 » raha tsy misy ny fiovana. Naharitra roa andro ny famotorana nataon’ny FBI, araka ny loharanom-baovao ka anisan’izany ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Nampifanatrehina, omaly, ireo ahina ho voasaringotra amin’izany. Miantso ny filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry, ny vovonana Firaisankina ny […]
Hafatry ny synaodan’ny FJKM: « Miantso antsika ho amin’ny fahamarinana izahay… »
Namoaka hafatra ny synaoda lehibe eo anivon’ny FJKM, natao tany Taolagnaro. Nisy antso avo nataon’izy ireo, ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy. « Miantso anao ny fiangonana ho amin’ny fahamarinana, ho amin’ny fahamasinana, ho amin’ny fiombonana eo amin’ny sehatra rehetra iantsoan’ny Tompo anao », hoy ny hafatra. Anisan’izany ny asa fanompoana, andraikitra […]




