Politika

Filoha Rajoelina Andry: « Hanamaivana ny fahasahiranan’ ny vahoaka isika »

Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, teo am-panombohana ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana. «Miasa mafy hatrany isika hanamaivana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy hana­tsarana ny fari-piainany», hoy izy. Notsiahiviny fa mpitarika tsy mihemotra ny tenany amin’ny mety hahasoa ny firenena. Notanisainy tamin’izany ny fanarenana ny Rova, […]

Hetsika tao Ambositra : Notsiahivina ny kolontsaina « Volambetohaka »

Tontosa ny 14 ka hatramin’ ny 17 aogositra lasa teo ny fan­kalazana ny « Volambetohaka 2025 ». Notsiahivina tao ana­tin’ny telo andro tamin’izany io kolontsainan’ny Betsileo avaratra ao anatin’ny faritr’Amo­ron’i Mania io. Anisan’ny nandray anjara ireo distrika miisa efatra, ahitana an’Ambositra, Fandriana, Ambatofinandra­hana ary Manandriana. Na­nampy izany ny avy any Imady Ala. […]

Faritra Vakinankaratra : Hotrandrahina amin’ny fizahantany ny RN7

Notanterahina ny herinandro teo ny hetsika “Festival de la RN 7”. Nambaran’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao, fa azo trandrahina tsara amin’ny sehatry ny fizahantany ny lalam-pirenena faha-7. Nanteriny fa ahitana ny tolotra rehetra ilaina amin’izany sehatry ny fizahantany izany ireo tanàna manamorona iny lalam-pirenena iny. “Anisan’izany ny tontolon’ny sakafo […]

Rakotomanana Richardson : «Tsy fanohanana an-jambany na fankahalana ny fanaovana politika»

Aiza ho aiza ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson: “Tsy fanohanana an-jambany na fankahalana ny fanaovana politika.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo […]

Ticad any Yokohama: Hampita ny vinan’ny Filoha ny Praiminisitra

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, any Yokohama Japon, ny andiany fahasivy eo amin’ny fihaonamben’i Afrika ho amin’ny fampandrosoana (Ticad), iarahana amin-dry zareo Japoney. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta afrikanina ka misolo tena ny filohan’ny Repoblika any an-toerana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo delegasionina tarihiny. Zava-dehibe […]