Niompana amin’ny fahaiza-mitantana eny ifotony ny atrikasa notarihin’ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niarahana amin’ireo mpamatsy vola ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nandray anjara amin’ny atrikasa ny avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Anosy ary Androy tao anatin’ny efatra andro. Tafiditra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa ho […]
Politika
«Raharaha Boeing 777»: Am-polony no voasaringotra, mitohy ny famotoran’ny FBI
Efa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ireo avy amin’ny FBI amerikanina, araka ny fangatahan’ny fitondram-panjakana manoloana ny “Raharaha Boeing 777”, miisa 5 nahazo ny mari-pamantarana avy eto Madagasikara, tonga any Iran. Miisa telo mianadahy izy ireo ka ahitana vehivavy miisa roa sy lehilahy iray. Efa anatin’ny fanadihadiana rehetra, momba ity […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ny tsy hipetra-potsiny ny fianakavian’ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry. Miahiahy ny tena antony nahafaty an’ity olom-boafidy Tim ity izy ireo. Efa tamin’ny propagandy no nenjehina izy. “Teo koa ny vavabe fa tsy haharitra enim-bolana ny fitantanany ny tanàna sy ny fandrahonana ho faty ka hametraka fitoriana izahay”, hoy izy […]
Tokely Justin : “Havadika ho rezionaly ny parlemanteran’ny Sadc”
“Havadika ho parlemanta rezionaly ny fihaonamben’ny parlemantan’ny Sadc. Tena hanana anjara toerana goavana eo amin’ny firenena mpikambana izy ireo rehefa lasa rezionaly”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsimbazaza, omaly. Misy ny fihaonamben’ny parlemantan’ny Sadc, anisan’ny rafitra goavana eo anivon’ny vondrona. Amin’izany no handinihina ny fanatsarana ny lalàna […]
Fandraisana ny fihaonana an-tampony: Niaiky ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry ny Sadc
Mbola manakoako manerana an’i Afrika ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Afapo tanteraka tamin’ny fikarakarana ny vahiny. Anisan’ireo vakivava tamin’ny nandraisan’i Madagasikara sy ny filoha Rajoelina Andry ny fitarihana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny filohan’i Afrika Atsimo, i Cyril Ramaphosa. Nambarany fa hita taratra izany haitariky ny filoha Rajoelina […]




