Nifarana ny herinandro teo rehefa naharitra dimy andro ny fikaonan-dohan’ireo fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny Sadc, notanterahina tetsy Ambodivona. Anisan’ny sosokevitra nivoitra tamin’izany ny tokony haha maodely an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra rehetra. « Tsy mankasitraka ny faneriterena amin’ny fahafahana maneho hevitra izany ary mitaky fampanajana ny demokrasia », hoy ny fehin-kevitry ny fiarahamonim-pirenena […]
Politika
« Raharaha Boeing 777 »: Miisa 22 ireo nidoboka vonjimaika am-ponja
Vita ny ampahany voalohany amin’ny famotorana momba ny raharaha Boeing 777. Olona 22 no naiditra am-ponja. Anisan’ireny ny tale jeneralin’ny ACM. Tsy voakitika kosa ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Tsy mahefa mitsara ny Pac fa miandry ny HCJ. Nadoboka vonjimaika am-ponja avokoa ireo olona 22 ahina ho voampanga amin’io […]
Fiainam-pikambanana : Mitaky ny hitarihana ny Fitea-M ny any Amboasary
Naneho ny alahelony manoloana ny tsy fanarahana ny fitsipika ifampifehezana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara (Fitea-M). Nambaran’izy ireo tetsy 67 Ha, omaly, fa efa voafaritra ny fitantanana ifandimbiasana eo anivon’ireo distrika ao amin’ny faritra Androy. « Tokony ho anjaran’ny avy any Amboasary araka ny tapaky ny birao […]
FANTINA sy FINTINA
Nodimandry, omaly, Ratsiraka Celine rehefa notsaboina tetsy amin’ny Cehonsoa. 87 taona izy izao lasa izao. Nahafantarana azy ny asa sosialy. Anisan’ny mpanorina ny akanin-jaza ary nitarika ny vehivavy Arema. Niteraka efatra mianadahy izy sy ny amiraly Ratsiraka : Ratsiraka Xavier, Ratsiraka Olga, Ratsiraka Annick ary Ratsiraka Sophie. Naneho fiaraha-miory nampahery […]
Fitantanana ny administratera sivily: Resy tamin’ny fifidianana Raholinarivo Paolo
Voafidy ho filoha vaovao hitantana ny Sendikan’ny mpitantandraharaham-panjakana « Administrateurs Civils-Synad » Rakotondramanana Solofotahina Lalaina. Préfet an’i Maintirano ny tenany izao voafidy izao ary hitantana ny sendikà mandritra ny efa-taona, fe-potoam-piasan’ny birao. Nitarika ny lisitra “Solidarité loyauté force” na Solofo izy tamin’izao fifidianana izao. Miisa 10 mianadahy ireo mpikambana eo […]




