Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny herinandro teo, tamin’ny synaodan’ny FJKM tanterahina any Taolagnaro fa mifanaratsy ny samy mpino. Nambarany fa tsy tokony hisy mpitondra fivavahana hanaratsy mpitondra fanjakana na ny mifamadika amin’izany, araka ny nambarany. “Anisan’ny manampy sy manome tohana ny fiangonana hatrany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana”, […]
Politika
Talata Volonondry – Valin’ny fitiliana: Matin’ny aretina ny ben’ny Tanàna
Tsy nisy namono fa maty noho ny aretim-po ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Ny Toky Mampionona. Nametraka fangatahana hanaovana fitiliana, “Autopsie”, ny razana ny solombavambahoaka Tim Avaradrano, Andriamosa Avotra. Nandalo teo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana ny hanatanterahana izany ary nahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Anisan’ny niatrika ny fitiliana ny […]
Fanatsarana ny zotram-pifidianana: Hanao tombana anatiny ny eo anivon’ny Ceni
Nanatanteraka fananganan-tsaina teny amin’ny foibeny eny Alarobia, omaly, ny Ceni. Nitarika izany ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène. Anisan’ny voaresaka ny fanatsarana ny zotram-pifidianana. Nambarany tamin’izany ny fanomanana ny atrikasa hanaovana tombana anatiny enti-manatsara ny zotram-pifidianana, hatao ny 27 hatramin’ny 29 aogositra ho avy izao, any Mahajanga. […]
FANTINA sy FINTINA
Efa any Japon ny praiminisitra Ntsay Christian handray anjara amin’ny andiany fahasivy, “Conférence internationale de Tokyo sur le développement de l’Afrique – Ticad”. Hanomboka ny 20 hatramin’ny 22 aogositra izao, any Yokohama, izany. Anisan’ny lohahevitra “Ny fikaroham-bahaolana ho amin’ny fanovana an’i Afrika”. Natao veloma ny herinandro teo, handeha hisotro ronono, […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny – sadc : “Goavana eo amin’ny diplaomasia ny fitantanana”
“Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no filoha mitantana ny vondrona Sadc. Tena goavana izany eo amin’ny lafiny diplaomasia. Midika izany fa rehefa mivoaka manatanteraka iraka any ivelany ny filoha, manao izany amin’ny anaran’ny firenena 16 mpikambana eo anivon’ny Sadc”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, Rasata […]




