Politika

Filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako : “Aoka hahay hizara am-pitiavana madiodio…”

Nampita hafatra mafonja ny filoha am-perinasan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao synaoda faha-20 tanterahin’ny fiangonana any Taolagnaro izao. Nambarany fa ampy izay ilay tanana zatra mangorona ho an’ny tena. Entanin’ny fitiavan-tena tsy mety voky, ka na mba manome aza; mizara anaty filan-dera hitsinjovana sahady ny mety ho fifidianana, […]

FANTINA sy FINTINA

Vahaolana sy hampitony ireo manampahaizana ny fanesorana ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Re­poblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny nambaran’ny Dr Lahiniriko Denis Alexandre. “Manaporofo izany koa ny nilazany fa tsy mahazo ny tiany holazaina ny va­hoaka. Manambany sy manamaivana olona izany”, hoy izy. Maherin’ny 5 000 miliara Ar ny vola nampiasaina […]

Fihaonana an-tampon’ny SADC: Nandinika ny olana politika ny rafitra Troïka

Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, nifarana teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly, ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavi­tafika. Anisan’ny voadinika ta­min’izany ny fehinkevitry ny fi­vorian’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana ambony sy ny ma-nampahaizana ny 4-6 aogositra. Teo ny amin’ny tetibolan’ny vondrona 2025 sy 2026. Teo koa […]

Velakevitra momba ny Sadc: Manana anjara toerana amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka sy manampahaizana eny amin’ny Oniversite, araka ny nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi, tamin’ny fanombohana ny velakevitra ho an’ny besinimaro teny amin’ny oniversite Ankatso, afakomaly, ao anatin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tokony ho sehatra malalaka ho an’ny firenena […]

Kaonferansan’ny Sadc: Hiato ny asa eny Ambohitsaina

Miato vonjimaika ny asa rehetra eny amin’ny “Campus” Ambohitsaina, anio maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro. Anisan’ny miato amin’izany ny fampianarana na ny lafiny fitantanan-draharaha. Na izany aza, hizotra tahaka ny andavanandro ny asa aman-draharaha any amin’ireo oniversite sisa. Noraisina izany fepetra izany noho ny fampiantranoan’ny Anjeri­manontolon’Antananarivo ny kaonferansa lehibe eo […]