Politika

Filankevitry ny minisitry ny Sadc : Nandray ny fitantanana i Madagasikara

Kihon-dalana farany amin’ny fivoriana, ankoatra ny an’ny Troïka, mialoha ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta, ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Sadc. Nandray ny fitantanana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Vita teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny famindram-pitantanan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny varotra iraisam-pirenena zimbabwéen, Pr […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho hetsika teny By Pass ireo ben’ny Ta­nàna miisa 26 avy eny amin’ny distrika Atsimondrano. Tanjona ny hampiroboroboana ny fihavanana eo amin’izy ireo sy hanampiana ireo fianakaviana sahirana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Nambaran’ny filohan’ny Anteni­mi­eran­do­holona, fa zava-dehibe ny fihavanana amin’ny fampandrosoana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny Ivato, ny sekretera […]

Fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana : Hisitraka tombana momba ny fitantanana ny kaominina

Nampahafantarina ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny boky Tombana anatin’ny tondron’ny fitantanana ifotony (Tatfi – AEIGL). Tafiditra amin’ny ezaky ny eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo izany. Eo koa ny fampandrosoana ny eny ifotony. Dingana iray vita amin’ny alalan’ny Drafi-pirenena […]

Fihaonana an-tampon’ny Sadc : Folo ireo filoham-panjakana nanamafy ny fahatongavany

Efa manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Miisa folo ireo filoham-panjakana nanamafy ny fahatongavany hiatrika izany. “Eo amin’ny 600 eony delegasionina ho tonga, ary folo ireo fi­loham-panjakana efa nanamafy ny hahatongavany. 17 ao­­gositra ny fivorian’ny filoham-panjakana, 15 aogositra dia efa ho tonga, ohatra, ny filohan’i Afrika Atsimo”. Io […]

Tolokevitry ny Ceni: Hatao amin’ny novambra ny fifidianana loholona

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa nandefa ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ireo ho loholona eny anivon’ny governemanta izy ireo. Tokony hotontosaina ny volana novambra ho avy izao izany, araka ny tolokevitr’izy ireo. “Miandry ny fanapahan-kevitry ny rafitra mpanatanteraka momba izany izahay”, hoy ny mpampakan-tenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika ny faran’ny […]