Politika

Governora Vyvato Rakotovao: “Manome sehatra ny mpanao gazety ny faritra”

Nanokafana ny fihaonan’ny governora, Vyvato Rako­tovao, tamin’ireo mpanao ga­zety tao amin’ny faritra Vaki­nankaratra ny momba ny fa­ha­lalahana amin’ny asa fa­naovan-gazety. Nitondran’ ireo mpanao gazety fanazavana manokana ny olana sy ny filany amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny fikaroham-baovao. “Mazava ny fomba fiasa napetraky ny fiadidiana ny faritra fa misokatra amin’ny sehatra […]

Fifidianana ny birao foiben’ny FJKM: Nanafatrafatra ny filoha Andriamahazosoa Irako Ammi

Nanomboka omaly, any Taolagnaro, ny Synaoda lehibe faha-20 eo anivon’ny FJKM. Anisan’ny hofidina amin’izany ny ho filoha hitarika ity fiangonana ity, manomboka izao. Nambaran’ny filohan’ny FJKM am-perinasa, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, ary notsiahiviny fa anisan’ny andraikitra lehibe horaisin’ny filoha sy ny birao ho voafidy eo ny fanatanterahana ireo vina […]

SADC : Tanjona amin’ny fampandrosoana ny fampihenana ny fahantrana

Ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc izao. Hanao ahoana? Indrindra ny amin’izay tombontsoa mety ho azo… Anisan’ny tanjona amin’ny fampandrosoana eo amin’ny firenena mpikambana ny fampihenana ny fahantrana. Izay tsara ho fantatra… Ny tanjon’ny Southern African Development Com­munity (Sadc), na ny Fihaonamben’ny fandrindrana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nilatsaka ny didy ho an’ny mpitarika ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, sy ireo namany dimy hafa. Sazy mihantona herintaona an-tranomaizina, no azon’izy ireo tamin’izany. Tsiahivina fa voasambotra tany Benetsy, Toliara, ny faran’ny volana jolay teo izy enina mirahalahy. Niakatra fitsarana omaly, ary izao voasazy izao. Naneho ny heviny ny antoko MMM […]

Famahana ny olan’ny fananantany : Manao tohivakana ny fametrahana ny BSFI

Maromaro ireo Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI) tafapetraka tato anatin’ny herinandro, ho famahan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny olana amin’io sehatra io. Anisan’izany ny any amin’ny ­distrikan’­ Andi­lamena, ny any Nosy Varika, ny kaominina Andranoma­nelatra sy Vinaninkarena, distrika Antsirabe II. Teo koa ny fametrahana […]