Politika

FANTINA sy FINTINA

Hanomboka anio ny fidinan’ny fitondram-panjakana any amin’ny faritra Ambatosoa. Hotan­terahina any an-toerana ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany. Anisan’izany ny “Parc solaire”, kianja, hopitaly manara-penitra, tsena. Eo koa ny asa sosialy hanohanana ireo marefo ary arahana fampisehoan’ireo artista malaza. Miantso fitoniana ny mpitondra tenin’ny governemanta, amin’izao handraisana […]

Filohan’ny OJM : “Tsy sakanana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”

“Voalazan’ny And. 7 sy 60 amin’ny lalàna 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery fa tsy sakanana na rarana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Rasoloarisoa Monica Harimbola, teny Anosy, oma­ly, manoloana ny fitarainana mpanao gazety tsy mahazo loharanom-baovao amin’ny “Raharaha […]

Raharaha Ambohimalaza : Mpianakavy nifamosavy !

Mazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, fa mpianakavy nifamosavy noho ny disadisam-pitiavana no nahatonga ilay raharaha Ambohimalaza. Zavamaniry misy poizina no nampiasaina namonoana ireo mpilanona. “Zava-maniry Ramiary sy Beladôme no na­fangaron’ilay nahavanon-doza nanapoizinana ny sakafo nafahafatesana olona 32 teny Ambohimalaza”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Ra­joelina Andry. “Olana ara-pitiavana, lonilonin’ny mpianakavy no […]

Tolo-kevitry ny OSC : “Tokony ho Malagasy izay ho kandidà”

Anisan’ireo efa nandefa soso-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana eny anivon’ny Ceni, araka ny antso nataony, ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena, OSC. “Tokony ho ireo olom-pirenena mizaka ny zom-pirenena malagasy ihany no afaka miatrika ny fifidianana eto amin’ny firenena”, hoy izy ireo. Nasongadin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto koa ny tokony hamaritana sy hijerena amin’ny antsipiriany […]

Fivoriamben’ny SADC: Vonona tanteraka i Madagasikara

Nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny kaomity mpikarakara ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Nita­rika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nila­za ity farany tamin’ny fanambarana izay nataony, tao amin’ny foiben’ny kaomity, ao amin’ny Kianja Barea, fa efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana. “Efa tonga teto ny iraky ny Sadc […]