Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc, manome lanja manokana ny fanofanana ireo ekipany hiantohana ny fampandehanan-draharahan’izany hetsika lehibe isam-paritra izany i Madagasikara. Ny teny anglisy no teny ofisialin’ny Sadc. Noho izany, manamboninahitra 100 eo ho eo avy ao amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo sampandraharaham-panjakana hafa […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry : “Mila mahaleo tena amin’ny fitantanana ny prefektiora”
Notokanana ny sabotsy lasa teo ny birao fiasan’ny Prefektiora, ao amin’ny Faritra Ambatosoa. Nantitranterin’ny Filohan’ny repoblika tamin’ny lahateny nataony fa tokony hahaleo tena ny fitantanana. “Raha nametraka fanamby isika, tratra ny tanjona. Satria mila mahaleo tena eo amin’ny fitantanana ny eto Maroantsetra. Tokony hitondra soa izay”. Io ny nambaran’ny filohan’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny depiote voafidy tao Antananarivo V, tamin’ny anaran’ny Irmar, Raholdina Naivo, fa tokony hifarana amin’izay ny fanararaotam-paty ataon’ny mpanao politika sasany sy ireo mpamendrofendro ary ireo mpanely vaovao tsy marina momba ny “Raharaha Ambohimalaza”. Malalaka ny fanehoan-kevitra, saingy ny marina no tokony holazaina. Tsy tokony hisy mpitondra na iray aza […]
Fiaraha-miasa amin’i Chine : Manamafy ny diplaomasia ara-toekarena i Madagasikara
Manamafy ny diplaomasia ara-toekarena miaraka amin’i chine i Madagasikara. Fantatra io tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao roa nosoniavina teo amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny vondrona indostria sinoa Sinomach, teo anatrehan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly. Fampivoarana ny sehatry ny tsaramaso maitso ny fifanarahana voalohany. Tanjona ny […]
Filoha Rajoelina Andry: “Ilaina ny mifampitsinjo sy mifanohana”
“Ilaina ny mifampitsinjo, mifanohana, mifampizara. Tsy azoko atao ny tonga eto Maroantsetra, ka tsy hitondra hafaliana amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanomezana vatsy tsinjo ho an’ny mponina any Maroantsetra, Faritra Ambatosoa, omaly. Vary amin’ny gony, voamaina, ronono, savony…. Mila porofoina amin’ny fihetsika ny […]




