Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany […]
Politika
Ampitifirana Ankatso : Faha-77 taona nitifirana ny Lietnà Randriamaromanana Albert
Notanterahina ny sabotsy 19 jolay 2025, teny amin’ny sahan’Ampitifirana Ankatso, ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo nitari-tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948. Feno 77 taona ny nitifirana ireo mahery fo niady ho an’ny fahafahan’i Madagasikara teo ambany ziogan’ny mpanjakana: ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ratsizafy Samuël, Lezoma ary Bekamisy. Nitarika ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hatao any amin’ny faritra Ambatosoa indray ny filankevitry ny minisitra ny 25 sy 26 jolay izao. Hotokanana amin’izany ny kianja sy tsena any an-toerana ary ireo fotodrafitrasa maro aorian’izany filankevitry ny minisitra izany. Tsiahivina fa ahitana ny distrikan’i Mananara sy Maroantsetra ny faritra Ambatosoa. Mitaky ny hamoahana ny marina momba […]
Madagasikara-Vondrona afrikanina : Mifototra amin’ny fifampitokisana ny fiaraha-miasa
Fanehoam-pisaorana sy famerenana ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina (UA) mifototra amin’ ny fifampitokisana. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny solontena manokan’ny filohan’ny Vaomieran’ny UA sady lehiben’ny Biraom-pifandraisana UA eto Madagasikara, Sem Alice Nzomukunda, teny amin’ny birao fiasany Anosy, omaly. Mamarana […]
Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina : “Aoka tsy atao resaka politika ny Raharaha Ambohimalaza”
Naneho hevitra manoloana ny raharaha nitranga tao Ambohimalaza ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa ahodin’ny sasany any amin’ny resaka politika io raharaha io. Hentitra ny minisitra. “Manodinkodina ny zava-nisy ho resaka politika ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny nefa efa nandray an-tanana ny raharaha ny fitondram-panjakana […]




