Maherin’ny 20 ireo fikambanana na antoko politika nahatonga ny tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo. Efa nifarana ny zoma teo rahateo ny fe-potoana farany ahafahan’ny Ceni mandray izany. Handinika ny momba izany izy ireo mialoha ny fikaonandoham-pirenena amin’ny taona ho avy. […]
Politika
Pac Mahajanga : “Hoezahina ny hanasaziana ny raharaha kolikoly”
Notanterahina tamin’ny fomba manetriketrika, tao amin’ny Tendrompitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) Mahajanga, ny herinandro teo, ny lanonam-pitsarana nametrahana amin’ny toerany ny lehiben’ny Fampanoavana ambony, Ranorine. Namelabelatra mazava ity lehiben’ny fampanoavana ambony vao napetraka amin’ny toerana ity ny amin’ireo kinasa sy vina ary koa ny paikady hirosoana amin’ny fanatanterahana ny andraikitra […]
IFI : “Adihevitra misokatra ny fe-potoam-piasan’ny filoha”
Naneho ny heviny momba ny fotoam-piasan’ny filoha ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Ifi. Malalaka ny fanehoan-kevitra momba izany, araka ny nambarany. “Misokatra ny adihevitra demokratika ny amin’izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, ny amin’ny filazan’ny olom-boafidy iray tany amin’ny faritra […]
Serasera Diana sy Sava : Nanamafy ny fahaiza-manaony
Nanamafy ny fahaiza-manaony ireo talem-paritra sy delege miisa 21 eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ho an’ny faritra Diana sy i Sava. Nijery ny fizotran’ny fampiofanana ireo mpiasan’ny minisitera ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa tanjona ny fanatsarana ny fomba fiasan’ireo tomponandraikitra hampiroboroboana ny maha olona. Niompana amin’ny […]
Fitaterana: Hiasa amin’ny fivorian’ ny Sadc ny teleferika
Tsy ho ela. Nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gerard, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavi-panjakana (TVM) fa efa eo am-pamaranana ny andrana ara-teknika ny fitaterana an-tariby, teleferika, mampitohy an’i Soarano sy Ivandry. “Ho tapitra amin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao ny andrana ara-teknika. […]




