Politika

Fanamafisana ny fahaiza-manao: Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ ny fananantany

Nanomboka omaly ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo tomponandraikitry ny sampandraharahan’ny fananantany. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa izany. Anisan’ny misitraka izao atrikasa sy fampiofanana izao ny avy any amin’ny faritra Bongolava sy Itasy ary Analamanga, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fi­tsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Miom­pana amin’ny fanatsarana ny […]

Raharaham-pirenena : Fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana

Hatramin’izao ary na aiza na aiza, saika ifandroritana mandrakariva ny amin’ny hoe Fanjakana: ino­na, hanao inona… ? Tsy inona fa antoko politika mitazona ampihimamba amin’ny fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana. Andrana fa­makafakana… Manondro fikambanana iray manana fahefana amin’ny mponina mi­toetra ao amin’ny faritany iray voafaritra ny Fanjakana ara-politika. Misongadina […]

FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ny mpisolovava ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, amin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric. Nambarany fa lasa mampitombo ny marina tsy fantatry ny vahoaka ny lazain’ireo manampahefana. “Mbola tsy nahafantatra ilay singa nahatonga ny famosaviana isika. Angatahina ny hivoahan’ny tena marina”, hoy izy. Nambaran’ny loholona Lalatiana Rakoto­ndrazafy, fa tsy […]

Fitantanana ny fananantany : Nankasitrahin’ny Banky iraisam-pirenena ny MFFT

Mandalo eto Madagasi­kara ireo iraka manokana ara-teknika eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fanadihadiana momba ireo tetikasa atao mba hahafahana mametraka paikady eo amin’ny fananantany. Nohazavain’ny minisitra tamin’ireto […]

Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Hanazava ny toe-draharaha ny filoha sy ireo minisitra

Hampanantsoin’ny filoha Rajoelina Andry eny Iavoloha ireo minisitra tomponandraikitra mahakasika ny fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza. Hivantana amin’ny TVM/RNM izany ny alakamisy alina izao. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tao amin’ny pejy “Facebook” ny, omaly, fa mametraka ho laharam-pahamehana hatrany amin’ny fa­nam­barana ny marina manoloana ny vahoaka malagasy ny tenany, indrindra […]