Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 3 aogositra hatramin’ny 18 aogositra, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Mifototra amin’ny sehatra maromaro ny ho votoatin’izany fivoriana izany. Eo ny fikendrena ny hampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ara-drariny. Ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Tafiditra ao anatin’izany […]
Politika
Loholona Lalatiana R.: “Tsy trosa ireo fiara nomen’ny sinoa”
Anisan’ireo nanatrika ny lanonana fanolorana ny fiara miisa 16 avy amin’ny fitondram-panjakana sinoa, omaly, teny Iavoloha, ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Nitondra fanazavana momba izany fanomezana izany ny tenany ka nilaza fa maimaimpoana izany. “Tsy misy tambiny ary tsy natao trosa mihitsy sao hamendrofendro indray ireo mpanita-dresaka matihanina”, hoy izy. Nanteriny […]
Raharaham-pirenena: Mitaky mangarahara ny antoko MMM
Naneho ny heviny, manoloana ireo tranga tato ho ato ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga (MM M). Mitaky ny mangarahara izy ireo ary miantso ny rehetra hijoro sy hanana fahasahiana. Anisan’ny nambarany tamin’izany fa sambany eo amin’ny tantara ka hoe misy singa tsy fantatra manoloana ireny fanapoizinana na fahapoizinana nahafaty […]
Fandraisana ny Sadc: Nanolotra fiara raitra miisa 16 i chine
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fivoriambe iraisam-pirenena, Sadc, hatao eto Antananarivo. Na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izany na koa ny fametrahana ny toeran’i Madagasikara aty Afrika. Natolotra omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ireo fiara vaovao miisa 16, marika Hongqi H9, avy amin’ny Repoblika entim-bahoaka an’i […]
Tsindrilentam-pahefana : Manana anjara amin’ny fampandehanana ny demokrasia ny mpanohitra
Saika mahabe resaka sy adihevitra mandrakariva ny hoe fanoherana. Nefa tsy azo ialana; eny, na tsy sata raikitra aza. Manana anjara toerana amin’ny fampandehanana ny demokrasia ny mpanohitra. Famakafakana… Eo amin’ny politika, manondro ireo hery rehetra mitsipaka ny fahefana misy ny mpanohitra. Na ao anatiny na ivelan’ny parlemanta izany. Mitana […]




